“Taorian’ny fanafoanana ny fanendrena ireo governoran’ny Faritra: voatery hiroso amin’ny fanendrena vonjimaika ireo lehiben’ny Faritra aloha ny fitondram-panjakana eo anivon’ny filankevitry ny minisitra”. Io ny fanambaran’ ny eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, voaray tamin’ny fampitam-baovao, omaly. Tsy inona fa ny amin’ny fanendrena lehiben’ny Faritra amin’izao fitondrana izao. Mba […]
Politika
Fiaraha-miasa iraisam-pirenena: Hogiazana ireo kaontim-bola maloto napetraka any Soisa
Nihaona tamin’ny minisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Ernaivo, ny minisitry ny Raharaham-bahiny sady sekreteram-panjakana eo anivon’ny fitsarana any Soisa, Franz Xaver Perrez. Voaresaka ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Nifanaiky ny roa tonta tamin’izao fihaonana izao fa hogiazana ireo fananana sy kaontin’ny teratany malagasy, tafiditra anaty vola maloto, napetraka any […]
FANTINA sy FINTINA
Tsy nitsitsy fitenenana ny kardinaly Tsarahazana Desiré. Nambarany ny alahady teo, tao Toamasina, fa tompon’andraikitra amin’ny fahantrana ny kristianina. Nohitsiny fa milaza azy ho kristianina ny 95% amin’ireo tomponandraikitra sy mpitantana rehetra. « Endrika ivelany ihany izany ary manao sinema fotsiny isika rehefa mivavaka », hoy izy. Tsy misy ambonin’ny lalàna ka […]
Fanaovana sy fivarotana toaka gasy : Andrasana ny didy fampiharana ny lalàna vao lany
“Lany soa aman-tsara ny tolo-dalàna. Mikitika ny fitondram-panjakana amin’izao mba hanafaingana ny fanatanterahana azy. Ny famoahana didy fampiharana sisa no andrasana”. Io no nambaran’ny depiote tsy miankina voafidy tany Ambositra, Andriamihaja Fanomezantsoa Yves Georges na Liva Rason, teny Tsimbazaza, omaly, ny amin’ny fanaovana sy fivarotana toaka gasy eto Madagasikara. Izy no […]
Depiote Milavonjy Philobert : “Ny Fitsarana avo ihany no afa-mitsara ny filohan’ny Repoblika”
Naneho ny heviny ny filoha lefitra fahafito eo anivon’ny Antenimierampirenena momba ny fitsarana ny filohan’ny Repoblika. Ny HCJ ihany no afaka manao izany, araka ny nambarany. “Mazava ny lalàmpanorenana sy ny lalàna mifehy ny Fitsarana avo (HCJ), tsy afa-mitsara ny filohan’ny Repoblika ny fitsarana tsotra”. Io ny fanehoan-kevitry ny lehiben’ny […]





