Tonga teny amin’ny trano fonenany, eny Faravohitra, nitondra ny teny fampiononana sy fankaherezana ny fianakavian’i Céline Ratsiraka, vady navelan’Itompokolahy Didier Ratsiraka, filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara teo aloha ny mpiara-miasa ao amin’ny Antenimierampirenena notarihin’ny filohany, Tokely Justin, omaly. Sady fanomezam-boninahitra an’i Céline Ratsiraka amin’ny maha vady navelan’ny filoha teo aloha izany no […]
Politika
Fitantanana ny Sadc : Hanampy ny filoha Rajoelina ireo andriamanjaka
Niarahaba ny filoha Rajoelina Andry amin’ny fandraisany ny fitantanana ny Sadc ny fivondronamben’ny andriamanjaka. Vonona ny hitondra ny anjara birikiny izy ireo amin’izany. Ho eo hatrany hanohana sy hanampy. “Vonona izahay fivondronamben’ny andriamanjaka, Communauté Royale de Madagascar, hitondra ny anjara biriky, hanampy ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, amin’ny andraikitra goavana sahaniny […]
FANTINA sy FINTINA
Hanainga eto Antananarivo, anio, hoentina any Toamasina, ny nofo mangatsiakan-dRatsiraka Céline. Halevina any an-toerana, ny zoma izao, fa tsy ho etsy amin’ny Fasan’ny maherifo, ilevenan’ny amiraly Ratsiraka, araka ny fandaminan’ny fianakaviana. Higadona, anio, eto an-tanindrazana, koa ny zanany lahitokana, Ratsiraka Xavier. Anisan’ny tonga nankahery ny fianakavian-dRatsiraka Céline ny avy amin’ny […]
Depiote Andriamampandry Todisoa : “Henatra ny mpanao gazety tampenam-bava”
“Tsy misy ny fahafahana na ny demokrasia. Na ny mpanao gazety aza, tampenam-bava amin’ny vaovao avoakany. Lasa henatra ho an’ny firenena amin’izao: na ny mpanao gazety avy any ivelany na ny eto an-toerana, ampitahorina sy rahonana amin’ny asany”. Izay ny fanehoan-kevitry ny depiote avy amin’ny fanoherana, ny depiote voafidy tamin’ny […]
Fankatoavan’ny HCC: Noferana ireo afaka mifidy ny loholona
Tsy ho tahaka ny teo aloha intsony. Nankatoavin’ny HCC, ny herinandro teo, ny fanitsiana nentin’ireo parlemantera momba ny lalàna mifehy ny fifidianana sy ny fanendrena ireo loholona. Nambaran’ny etsy Ambohidahy, araka ny fanapahana noraisin’ireo mpitsara avo, fa mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana izany. Misongadina ao anatiny fa tsy ho anisan’ireo mpifidy lehibe […]




