Nanambara ny fahavononany amin’ny adidy ho an’ny vahoaka indray ny depiote Ratsivahiny Andry, tao amin’ny facebook, omaly. Nanteriny fa ho tohizana ny efa natomboka. « Asa fampandrosoana ho an’ny vahoakan’Atsimondrano hatrany. Mitohy ny asa ho an’ny tantsaha, ny vehivavy… », hoy izy. Manaiky ny dingana vitan’ny fitondrana ny sehatra iraisam-pirenena, araka ireo fanambarana maro […]
Politika
Fifehezana tsy ara-dalàna ny fahefam-panjakana : Mangataka fanamelohana i Madagasikara
Nandray anjara fitenenana tamin’ny fivoriana faha-24 ataon’ny fanjakana mpikambana eo anivon’ny Fitsarana heloka bevava iraisam-pirenena (CPI), tany La Haye, Pays-Bas, afakomaly, ny minisitry ny Fitsarana, i Ernaivo Fanirisoa. Soso-keviny ny hampidirana ny heloka bevava momba ny fifehezana tsy ara-dalàna ny fahefam-panjakana ho anisan’ny heloka azo henjehina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. […]
Filoha lefitry ny Ceni : « Mitaky fanavaozana ny fikarakarana fifidianana »
Nanao ny fianianany ny filoha lefitra faharoa eo anivon’ny Ceni, omaly. Anisan’ny nambarany tamin’izany ny momba ny tontolon’ny fifidianana. «Iarahan’ny rehetra mahafantatra sy manaiky fa mila fanatsarana ary mitaky fanavaozana ny fikarakarana sy fitantanana fifidianana eto Madagasikara. Noho izany, tsy maintsy horaisina ny andraikitra rehetra hahazoana mametraka didy aman-dalàna vaovao […]
FANTINA sy FINTINA
Hirosoana ny fitsarana ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, i Ernaivo Fanirisoa, tao amin’ny Radio France internationale (RFI), omaly. Alohan’ny faran’ny taona no heverina hanatanterahana izany. Hatramin’ny nanesorana azy, tamin’ny 12 oktobra lasa teo, tombanana ho any Dubai izy amin’izao. Na izany aza, misy […]
Depiote Raby Savatsarah : “Ny fikaonandoham-pirenena no hanafoana na tsia ny Fitsarana avo”
Hotsaraina amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ireo tomponandraikitra, fa tsy ilaina ny Fitsarana avo (HCJ). Nohamafisin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, izay tamin’ny televiziona rosianina iray, tamin’ny herinandro. Lasa adihevitra… Natao hitsarana ireo tomponandraiki-panjakana ambony ny HCJ, araka ny lalàmpanorenana. “Ny fihaonambem-pirenena tamin’ny 2010 no nametrahana ny […]





