Politika

Kly Randrianirina Michael : “Sivily ny Praiminisitra eo fa tsy miaramila”

Efa namariparitra amin’ny ampahany ny ho mpiara-miasa aminy ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michael. Anisan’izany ny ho praiminisitra sy ireo ho mpikambana eo anivon’ny governemanta. “Ny laharam-pahamehana fahatelo dia ny fametrahana ny Praiminisitra sy ny governemantany. Izay aloha no asa maika izao. Sivily ny Praiminisitra eo fa tsy miaramila, ary […]

Fandaminana ny raharaham-pirenena : Tonga eto Madagasikara ny iraky ny Sadc

Nigadona omaly, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ireo delegasionin’ny Sadc. Mitarika izany ny Pr Kula Ishmael Theletsane. Ho avy amin’ny fanelanelalana sy hikaroka vahaolana izy ireo. Nambaran’ity tomponandraikitra misahana ny raharaha politika sy ny fiarovana ary ny filaminana eo anivon’ny Sadc ity tamin’ny mpanao gazety fa hiompana amin’ny fihainoana sy fakan-kevitra […]

FMMM : « Foano ny fifanarahana amin’i Frantsa »

Mitaky ny fanafoanana ny fifanaraham-piaraha-miasa nisy hatrizay teo amin’i Madagasikara sy ny firenena mpanjanaka frantsay, ny Firaisan’ny mpandinika mozilmanina eto Madagasikara (FMMM), omaly. Laharam-pahamehana ny fisokafana amin’ny firenena hafa izay manana vina mazava mitondra amin’ny fampandrosoana ny firenena ho azy ireo. Tsy tokony hifampiditra velively ny raharaham-pirenena sy ny asam-bahoaka […]

FANTINA sy FINTINA

Vonona hanome tanana amin’ny famolavolana ny Lalàmpanorenana ho any amin’ny Repoblika fahadimy ny antoko Avi, araka ny fanambaran’izy ireo, omaly. Nohamafisin’ny fanambarana koa fa mijoro amin’ny foto-kevitra efa novoiziny ity antoko ity. Ani­san’izany ny fanjakana manaja zon’olombelona sy ny fanjakana tan-dalàna ary tsara tantana. Naneho fahavononana hiara-kiasa sy miso­katra amin’ny […]

Rakotoarisoa Florent : “Atsaharo ny fanosoram-potaka ny HCC”

“Mitodika amin’ny filoha teo aloha (…): miangavy izahay mba hanatsaharana ny fanosoram-potaka ity Fitsa­rana avo momba ny lalàmpanorenana ity any amin’ny firenena any ivelany sy amin’ny vondrona iraisam-pirenena izay toa mihaino feon-dakolosy tokana”. Izay ny kabarin’ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent, taorian’ny lanonam-pitsarana nandraisana ny fianianan’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michael, […]