Tontosa omaly, teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, Ambohidahy, ny fianianan’ny Filoham-panjakana, Kly Randrianirina Michael. Ny politikan’ny fitsitsiana no vaindohan-draharahany. Vita soa aman-tsara omaly ny fianianan’ny filoham-panjakana, hiandraikitra ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara. Manamarika ny fandraisan’ny kolonely Randrianirina Michael ny fahefana izany. Nivoitra tamin’ny lahateny izay nataony […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Naneho ny heviny hatrany ny minisitra teo aloha, Sahondrarimalala Michelle, manoloana ny raharaham-pirenena. Nambarany fa tsy hanakiana ny didim-pitsarana ny tenany amin’ny maha mpitsara azy. « Mba hitondra fitoniana sy hamaha ny olana tokoa ny fanapahan-kevitra rehetra noraisina », hoy izy. Niravona ny disadisa teo amin’ny Kly Andrianasoavina Charles sy ny Jly […]
Kolonely Randrianirina Mickael: “Tendrena aorian’ny fianianana ny Praiminisitra”
Amin’izao, andrasana fatratra izay ho Praiminisitry ny Tetezamita. Aorian’ny fianianan’ny filohan’ny fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Kly Randrianirina Mickaël, anio. Ho hita eo… “Efa ao anatin’ny fandraisana olona tanteraka izahay izao, ao anatin’ny fitadiavana ny olona itoviana hevitra”. Io ny nambaran’ny filohan’ny fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Kly Randrianirina Mickaël, […]
Disadisa politika: Misokatra tsikelikely ny fifampidinihana
Manao ranolava ny fanambarana iraisam-pirenena miantso fifampidinihana amin’ny samy Malagasy. Tsy mandà, mampirisika izany rahateo ny ekipan’ny kolonely Randrianirina Michael. Samy nanao antso avo ny amin’ny hirosoana amin’ny fifampiresahana avokoa ireo rafitra sy vondrona fiaraha-miasa aty Afrika ireo, tao anatin’ny 24 ora. « Ilaina ny fifanatonana, tsy manilika ny hafa ao […]
Famahana ny krizy: Hihaona ny FFKM sy ny Capsat
Mandeha miandalana ny fakan-kevitra « Ady gasy ». Ao anatin’ny fikaroham-bahaolana ny eo anivon’ny FFKM. Nambaran’ny loharanom-baovao iray fa hiverina hihaona amin’ireo miaramila, mitantana ny firenena ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy. Efa nisy ny fihaonana teo aloha, teo amin’ ny andaniny sy ny ankilany, ary izao hifampiresaka izao indray. Anisan’ny efa noraisin’ny FFKM […]




