Politika

FANTINA sy FINTINA

Iompanan’ny atrikasan’ny Ceni, tanterahina any Mahajanga, ny fandrefesana ny ezaka natao. Hamafisina sy faritana koa ireo mety ho ambana sy ny fisorohana izany amin’ny fifidianana, araka ny nambaran’ny filohany, Andrianarisedo Dama. Dingana manaraka ny fandravonana ny tolokevitr’ireo mpiantsehatra, hanatsarana ny fifidianana. Namoaka andalan-teny amin’izao nahalasanan’ny reniny, Ratsiraka Celine, izao ny […]

Fampandrosoana : Nifampizara traikefa ny governoran’ny faritra 18

Nifarana tany Mahajanga, renivohitry ny faritra Boeny, omaly, ny fivoriamben’ny go­ve­rnora avy amin’ny faritra 18 amin’ny 24 manerana an’i Madagasikara, nandritra ny hefarana. Ny ezaka fampandrosoana ny isam-paritra, ny fifampizarana traikefa no anton’ny fivoriana, nibanjinana ny lohahevitra hoe: “Fihaonam­ben’ny governora, ho fampandrosoana mirindra isam-paritra”. “Tanjona iombonana ny fampandrosoan an’i Madaga­sikara”, […]

Fampiofanan’ny MFFT: Hatsaraina ny fitantanam-bolan’ny kaominina

Mitohy amin’ity herinandro ity ny fampiofanana ho mpampiofana momba ny fitantanana ny tetibola sy ny volan’ny kaominina. Tanterahina any amin’ny faritra Androy sy Atsimo Andrefana izany, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Nambaran’ny eo anivon’ny minisitera fa anisan’ireo laharam-pahamehana ny fanatsarana ny paikady amin’ny fitantanana ny […]

Minisitra Sahondrarimalala: « Manana fijery lavitra ny filoha »

« Manana fijery lavitra ny filoha Rajoelina Andry ka tsy takatry ny olona sasany », hoy ny minisitra sady birao politi­kan’ny TGV, Sahondrarimalala Marie Michelle, tany Fianaran­tsoa, tamin’ity herinandro ity. No­­tanisainy tamin’izany fa ma­herin’ny 8 000 ny isan’ireo se­koly vitan’ny filoha Rajoelina Andry miaraka amin’ny fitondram-panjakana tao anatin’ny herintaona. Masina ny fanabeazana […]

Filohan’ny Antenimierandoholona: « Aoka atsahatra ny adilahy politika »

Nitsidika ireo mpitondra sy manampahefana ao Nosy Be ny filohan’ny Antenimieran­doholona, Ravalomanana Richard, omaly. Nisy ny dinidinika sy fifampizarana tamin’izany. « Efa vita ny fififidianana ka aoka atsahatra ny adilahy politika. Tokony himasoan’ny rehetra ny fampandro­soana ny tanàna », hoy izy. Nampa­hafantarina tamin’izany ny to­rolalana iadiana amin’ny fifindra-monina tsy ara-dalàna na avy […]