Am-periny tanteraka amin’ ny hiatrehana ny fikaonandoham-pirenena, iarahana amin’ ny FFKM, ireo antoko politika sasany amin’izao fotoana izao. Ho an’ny eo anivon’ny Irmar, efa nanolotra ny sori-dalana tamin’ny iraky ny Sadc sy ny Vondrona afrikanina (UA) farany teo izy ireo mba hoentina amin’ny fihaonambem-pirenena. Efa an-dalam-pamolavolana ny tondrozotra koa ny […]
Politika
Kolonely Randrianirina Michaël : “Miainga any amin’ny Faritra ny fanavaozana”
Sambasamba… Nidina ifotony voalohany tany amin’ny faritra ny filoham-panjakana, ny kolonely Randrianirina Michaël. Nambarany fa hiainga avy aty Toliara ny atao hoe fandrosoana. “Antenaintsika fa hiainga avy aty Toliara ny atao hoe fandrosoana. Ny tena anton-dianay aty, mampiseho ny fihainoana anareo vahoaka”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina […]
FANTINA sy FINTINA
Tsy tokony ho fialokalofan’ny mpanao ratsy ny Andrimpanjakana, araka ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny FMI Malagasy, Ratsietison Jean Jacques. Anisan’izany ny Antenimierampirenena. « Tsikaritra fa ihazakazahan’ireo mpanao politika manana dosie maloto ny mirotsaka hofidina depiote. Tokony hanokafana fanadihadiana izy ireny », hoy izy. Hihazo any Frantsa ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Ramanantsoa Harilala. Hanamafy ny […]
Depiote Milavonjy Philobert : “Tsy voafaritra ho olon’ny antoko ny mpiasam-panjakana”
“Ny asam-panjakana ange tsy misy hoe rehefa miova ny fanjakana na ny fitondrana dia manafatra olona avy any an-danitra, angamba, hapetraka eo amin’ny fitondrana sy hanompo ny fanjakana”. Io ny fanehoan-kevitry ny lehiben’ny fanoherana sady filoha lefitra fahafito eny anivon’ny Antenimierampirenena, ny depiote voafidy tany Ambovombe Androy tamin’ny anaran’ny Irmar, […]
Toromariky ny filoham-panjakana: Hatao amin’ny teny malagasy ireo taratasim-panjakana
Anisan’ny nisongadina tamin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha, ny toromarika avy amin’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël. Anisan’izany ny fitantanan-draharaham-panjakana. «Tokony hanaovana ezaka ny handikana amin’ny teny malagasy ny taratasim-pifandraisan’ny fanjakana amin’ireo mila raharaha rehetra momba izany», hoy izy. Nampahafantatra koa ny eo anivon’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika […]





