Politika

Fikaroham-bahaolana: Ho avy, hiditra an-tsehatra ny Sadc

Namoaka fanambarana, omaly, ny filohan’ny Repobli­kan’i Malawi, sady filohan’ny vaomiera misahana ny politika sy ny fiarovana ary ny iaraha-miasa momba ny filaminana, ny Pr Arthur Peter Mutharika. « Handefa iraka maika ny Sadc Panel of Elders hanao tombana sy hijery ny hanatanterahana ny fifampiresahana manoloana ny toe-draha­raha », hoy izy. Niantso ny […]

Antenimierampirenena : Naongan’ny depiote ny birao maharitra

Mandeha hatrany ny fanonganana. Nitohy omaly ny fivoriana tsy ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena, eny Tsimbazaza. Anisan’ny nirosoan’izy ireo ny fandravana ny birao maharitra eo anivon’ity Andrimpanjakana ity. Nanaovana latsa-bato izany ka nisafidy ny eny, hanonganana ireo mpikamban’ny birao maharitra ireo depiote miisa 127 tamin’ireo 133. Nifidy ny tsia, tsy mankasitraka […]

Taorian’ny nandraisana fahefana : Tsy mbola manana sata ny tetezamita

Tsy mbola manana sata araka ny nivoizana azy hatramin’ny omaly ny fitondrana tetezamita. Ho laharam-pahame­han’ny fitondrana tarihin’ny Kly Randrianirina Michael kosa ny lafiny sosialy. Niresaka tamin’ny mpanao gazety ny filohan’ny Filankevi-pirenena ho an’ny fiarovana ny Tetezamita (CDNT), omaly, teny amin’ny Capsat. Nambarany tamin’ izany ny dingana manaraka, manoloana ny raharaham-pirenena. […]

Nihazakazaka ny raharaham-pirenena: Niainga teny an-kianja sy lapa ary ny toby ny fanovana

Nivadika tao anatin’ny ora vitsy ny fiainam-pirenena. Niafara amin’ny fananganana ny Filankevi-pirenena ho an’ny fiarovana ny Tetezamita (CDNT), tarihin’ny miaramila izany. Nanombohana ny hetsika tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey, omaly ny filaharan’ireo fikambanana, sendika, mpiasam-panjakana sy ny tsy miankina ny tapak’andro maraina. Teo koa ireo avy amin’ny mpianatra. Tonga teny […]

FANTINA sy FINTINA

Naneho hevitra fohy amin’ny « Facebook » ny depiote, Andriamananoro Augustin manoloana ny raharaham-pirenena. Nambarany fa tsy tokony hosimbaina ny soatoavina. « Tsy mahasoa ny fihantsiana sy ny ramatahora. Hajao ny fahendrena fa efa miroso amin’ny fifampiresahana ny FFKM. Hikatsa­hantsika fitoniana sy vahaolana izany », hoy izy. Manameloka ny famafazana lainga sy ny fanaparitahana […]