Notanterahina ny herinandro teo ny fivoriana ara-teknika niarahan’ny Foiben-taontsaritanin’i Madagasikara (FTM) sy ny sampandraharan’ny fandrefesan-tany (DST), eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Anisan’ny nifantohan’ny lohahevitra ny lafiny teknika sy stratejika mba hirosoana amin’ny fanavaozana ny sehatry ny fananantany sy ny fanajariana ny tany. Anisan’ny nifanakalozana hevitra […]
Politika
Fiadidiana ny Repoblika : “Ny fifampiresahana no vahaolana amin’ny krizy”
Nanao fanambarana ny eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, omaly. Anisan’ny nivoitra tamin’izany ny fiantsoana fifampiresahana mba hamahana ny olana misy amin’izao fotoana izao. «Ny fiadidiana ny Repoblika dia manambara amin’ny vahoaka sy amin’ny vondrona iraisam-pirenena fa misy ny fikasana haka an-keriny ny fahefana amin’izao fotoana izao, eto amin’ny tanin’ny Repoblika, […]
OJM : Handray fepetra amin’ireo mpisandoka
Mitohy ny fampitandreman’ny eo anivon’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) manoloana ireo misoloky sy misandoka izany asa izany. Nambaran’ny filohany, i Monica Rasoloarison tetsy Ambohidahy fa anisan’ny fepetra horaisina ny fanesorana ny mari-pamantarana azy ireny «Brassard» sy ireo marika hisandohana fa mpanao gazety. «Tsy azo idiran’olon-kafa ity asa ity ary […]
Firosoana amin’ny fanelanelanana : Miantso ny tsy hifampihantsiana ny FFKM
Namoaka fanambarana amin’ny firosoan’ny fanelanelanana ny eo anivon’ny FFKM, omaly. Manahy sakana amin’izany anefa izy raha tsy tanteraka ny fepetra tokony harahina. «Efa miroso amin’ny fanelanelanana amin’ireo ankolafin-kery samihafa ny FFKM izao. Tsy ho tontosa anefa izany raha tsy misy fitoniana», hoy izy ireo. Nanaovan’ireo filoham-piangonana antso avo ny rehetra […]
FANTINA sy FINTINA
Efa tafakatra hatrany amin’ny 2 000 latsaka ny isan’ireo dosie maniry hiditra ho mpikambana eo anivon’ny governemanta voaray eny Ambohitsorohitra. Toerana minisitra eo amin’ny 30 ho eo no iadiana amin’izany, miaraka amin’ny sekreteram-panjakana. Tsiahivina fa efa ho 10 andro izao no nanambaran’ny filoha Rajoelina Andry ny handraisana izany. Hanatanteraka hetsika koa […]




