Politika

Depiote Ralambozafimbololona Fetra: « Hafaingano ny fifidianana sefo fokontany »

Naneho ny heviny manoloana ny fitantanana eny ifotony ny depiote Ralambozafim­bololona Fetra, voafidy tetsy amin’ny boriborintany fahadimy. Nambarany fa efa tafapetraka sy ara-dalàna ny Prefet vaovao. Eo koa ireo sefo distrika rehetra manerana ny Nosy, ka tokony handray andraikitra ny eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany. « Ta­kinay ny hanatanterahana ka hanafainganana ny […]

Kolonely Randrianirina Michaël : “Tsy manadino ny ezaky ny mpitolona ny firenena”

Nitsidika sy nampahery ilay voatifitra tamin’ny tolona ireo filoha mpiara-mitantana efatra mirahalahy. Nambaran’izy ireo fa  mitohy ny fanadihadiana momba ireo fitifirana sy ireo naratra nandritra ny hetsika na koa ireo niharam-boina. “Tsy manadino ny eza­ka nataonareo ny fi­renena. Fitiavan-ta­nin­drazana no nahatonga anao toy izao. Mankahery! Aza kivy… Eo foana izahay […]

Fikaonandoham-pirenena : Mitaky ny hanadiovana ny tokotany ny Panorama

Tsy an-kiandriandry. Efa nanomboka ny fikaonandoha, amin’ny alalan’ny dinika Santatra, ny eo anivon’ny Paikady anorenana ny rahampitson’i Madagasikara (Panorama), natao teny Itaosy, ny herinandro teo. Anisan’ny voaresaka ta­min’izany ny momba ny fanadiovana ny toko­tany, mialoha ny fifidianana. Tafiditra ao anatin’izany ny lalàm-pifidianana  tokana amin’­ny alalan’ny fanavao­zana ifotony ny fitantanana izany. Eo […]

FANTINA sy FINTINA

Tokony hitandrina ny fitondram-panjakana ankehitriny manoloana ireo tsindry samihafa ataon’ ireo firenen-dehibe, araka ny fanehoan-kevitry ny mpanao politika, Paraina Auguste. « Tsy tongatonga ho azy ny niresahan’i Emmanuel Macron nandritra ny fivahinianany tatsy amin’ny Nosy Maurice ny toe-javamisy eto Madagasikara », hoy izy. Tsy mila PDS ny vahoakan’ny kaominina am­banivohitra Marovoay. […]

Depiote Rakotoniaina Pety : “Aoka tsy ho sarintsarina fanovana no hatao”

“Aoka tsy ho sarintsarin’ny fanovana no hatao, fa alefa any amin’ny Faritany sy ny Faritra ny fahefana”. Io ny fanehoan-kevitry ny depiote tsy miankina voafidy tany Ikalamavony, Matsiatra Am­bony, Rakotoniaina Pety, manoloana ny ataon’ny mpanao politika sasany efa misy manao fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana. Ny mpanao politika sasany, manao kajy […]