Namaly ireo fanaratsiana samihafa, indrindra avy amin’ ny antoko Tim, ny eo anivon’ ny MMM, amin’ny alalan’ny birao politika, Ratiankavana Benjamin. Nambarany fa miroso ny fanovana eto amin’ny firenena na eo aza ireo mpanaratsy. « Tsy manana olana amin’ ny Tim na ny depiote Razara Pierre Fidèle izahay. Samy manohana ny […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Misaona ny antoko Tim. Nodimandry, omaly, ny ben’ny Tanànan’Ankaraobato, Atsimondrano, Randriamiandrisoa Gilbert. Nitsapa alahelo teny an-toerana ny mpikambana sasany eo anivon’ny fikamban’ny ben’ny Tanàna manerana ny Nosy, tarihin’ny filohany, Rado Ramparaoelina. Nanao ny fianianany amin’ny maha filohan’ny « Forum parlementaire de la Sadc » azy tatsy Afrika Atsimo, ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko […]
Depiote Ramilison Nomenjanahary: « Aoka tsy ho lany andro hifanaratsy isika »
Naneho ny heviny ary nahitsy ny depioten’i Faratsiho, Ramilison Nomenjanahary, manoloana ny raharaham-pirenena. «Tsy tokony ho lany andro hanaratsy ny hafa isika mpisehatra politika. Aoka hikatsaka ny fampandrosoana ny firenena », hoy izy. Nambarany fa tsy fotoan’ny fifanaratsian’ny samy mpanao politika na antoko politika izao. Tokony hapetraka ho laharam-pahamehana ny tombontsoam-bahoaka, […]
Kolonely Randrianirina Michaël : “Tsy ilana ny HCJ ny fitsarana ireo nanao ny tsy mety”
Nitafa tamin’ny mpanao gazety vahiny ny filoham-panjakana, Kly Randrianirina Michaël, afakomaly. Nitondrany fanazavana tamin’izany ny raharaham-pirenena. ”Omena ohatra ny vahoaka malagasy fa tena atao ny ady amin’ny kolikoly. Nisy ny teny mita navoaka fa hotsaraina amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ireo tomponandraikitra, fa tsy ilaina ny Fitsarana avo (HCJ)”. Io ny […]
FANTINA sy FINTINA
Tafaverina ho depiote ireo minisitra telo teo aloha, fony fitondrana Rajoelina. Anisan’izany Sahondrarimalala Marie Michelle, minisitry ny Fanabeazam-pirenena. Mara Donna Volamiranty, minisitra teo aloha nisahana ny Serasera sy ny kolontsaina ary Razafinjato Aurelie, minisitra teo aloha nisahana ny Mponina. Navoakan’ny HCC, omaly, ny didy momba izany. Hentitra ny minisitra Fanirisoa […]





