“Izahay mpikambana eto anivon’ny fiadidiana iombonan’ny filoham-pirenena ho amin’ny fanavaozana dia mamoaka ny didy hitsivolana ara-panorenana lah. 2025-001, izay mampiato ny lalàmpanorenana tamin’ny 11 desambra 2010 amin’ireo andininy mifanipaka amin’ity didy hitsivolana ity ary mametraka ireo rafitra fanavaozana nasionaly”. Io ny fanambaran’ny miaramilan’ny Capsat, notarihin’ny Kly Randrianirina Mickael, teny amin’ny […]
Politika
Notendren’ny HCC : Filoham-panjakana ny Kly Randrianirina Michael
Hisahana ny asan’ny filoham-panjakana, manomboka eto ny Kly Randrianirina Michael. Namoaka fanapahan-kevitra fankatoavana izany ny eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), omaly, manoloana ny raharaham-pirenena. Niainga avy amin’ny fangataham-panazavana nataon’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, omaly, ny amin’ny fahabangan-toeran’ny filohan’ny Repoblika izany. Eo koa ny tsy fisian’ny […]
FMMM : Manameloka ny jadona sy ny herisetra
Manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, mijoro ny firaisan’ny mpandinika miozolomanina eto Madagasikara (FMMM) ka namoaka fanambarana. Voalazan’izy ireo fa rehefa ny tsy fahamarinana sy ny tsy rariny ary ny tsindrihazolena no mahazo vahana eo amin’ny fiarahamonina na firenena dia tsy maintsy miafara amin’ny korontana izany. Lalàna voajanahary tsy azo ihodivirana izany, […]
Tsy fanomezana fahazoan-dalana : Niala tsiny sy nifona ampahibemaso ny prefet Antananarivo
“Mitondra ny fialantsiny sy ny fifonana ampahibemaso raha toa ka misy ny fanapahan-kevitra noraisina ka tsy mifanaraka tamin’ny eritreritry ny besinimaro”. Io ny nambaran’ny prefet Antananarivo, ny jeneraly Ravelonarivo Angelo, tao amin’ny haino aman-jery tsy miankina iray, omaly, ny amin’ny tsy nanomezany fahazoan-dalana hanao hetsika teny Ambahijatovo, tamin’ny 25 septambra, […]
FANTINA sy FINTINA
Havoaka ny fonja ireo gadra politika, araka ny didy noraisin’ny filoha Rajoelina Andry. Eo ny mpandraharaha, Rajaonah Mbola. Ireo mpanao gazety, Lôla Rasoamaharo sy i Fernand Cello. Ny depiote, Sylvestre Mahavitara sy ny ben’ny Tanànan’Antsiranana, Djavojozara Jean Luc. Andrianandrianina Voahangy. Nofoanana ny sazy tamin’ny Raharaha Apollo 21: Philippe Marc François […]




