Politika

Filoha Rajoelina Andry: « Tsy vahaolana ny korontana »

Nampita hafatra tao amin’ny tambajotran-tserasera ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, omaly sy afakomaly. «Tsy vahaolana ny korontana tiana ha­petraka eto amin’ny firenena », hoy izy. Nam­pa­nan­tena ny tenany fa hanao ny ezaka sy ny fomba rehetra hampamiratra sy hampisongadina an’ity Madaga­sikara ity mandra-pahatapitry ny fe-po­toam-piasany. Rai­siko ho ira­ka manokana, fanamby goavana […]

Mpitandro filaminana mihoa-pefy : « Handraisana fepetra », hoy ny Praiminisitra

Nidina teny Analakely ny lehiben’ny Governemanta Za­fisambo Ruphin, omaly. No­hamafisiny fa maika ny famerenana ny filaminam-bahoaka. Nasiany tsindrim-peo ihany koa ny mpitandro filaminana mihoa-pefy. “Governemanta fisokafana no hajoro. Mbola misy ny fifampidinihana miaraka amin’ny FFKM. Ny maika dia ny famerenana ny filaminam-bahoaka”. Io ny nambaran’ny Praiminisitra, ny Jly Zafisam­bo Ruphin […]

FANTINA sy FINTINA

Nitsangana ny raiamandreny ao an-tanànan’ Antsiranana. Nanambara izany izy ireo, omaly, ary naneho fahavononana hiara-dalana amin’ny fitakiana ataon’ny mpianatra sy ny tanora Gen Z. «Tsy ho faty ny tolona raha mbola misy ny tia tanindrazana», hoy izy ireo. Nanentana ny rehetra koa izy ireo hanatevin-daharana ny tolona. Mitaky ny hamotsorana […]

Fifidianana loholona: Mihemotra ny fametrahana ny firotsahan-kofidina

“Ny vanin’androm-pifidianana izay didim-panjakana no mamaritra azy ho amin’ny 11 desambra, tsy manan-kambara momba an’izay ny Ceni”. Io ny fanazavan’ny mpampakateny, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, momba ny fifidianana loholona. Ny vanin’andro hanombohan’ny fanaterana ny antontan-taratasy firotsaha-kofidina no heverin-dry zareo ananany fahefana ny mametraka ny lamina momba izany. Rehefa tsy […]

Filoha Rajoelina Andry: “Ny vahoaka no nanome fe-potoam-piasana dimy taona”

Niresaka tamin’ny mpanao gazetin’ny France 24 ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Anisan’ny nanehoany ny heviny ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana. “Ny demokrasia dia ny ampahany betsaka tamin’ny vahoaka no nifidy filohan’ny Repoblika iray”. Io ny valin-tenin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ny fanontanian’ny mpanao gazetin’ny France 24, omaly, ny amin’ny fangata­han’ireo mpanao […]