Politika

FANTINA sy FINTINA

Anisan’ny lahadinika amin’ny fivoriambe faha-80 hataon’ny Firenena mikambana (ONU) ny 22-27 septambra, any New York, Etazonia, ny amin’ny tokony hamerenan’ny fanjakana frantsay ireo Nosy malagasy manodidina, izay efa namoahana fehinkevitra tamin’ny 12 desambra 1979. Amin’izao, ao anatin’ny antontan-taratasy faha-60 izany. “Zava-dehibe ilaina eto amin’ny firenena ny fahamarinan-toeran’ny fanjakana”, hoy ny […]

Antoko Alfa : “Mila lanjalanjaina ny vava avoaka sy ny fanehoan-kevitra”

“Mamelona lakolosy izahay eto amin’ny antoko Alfa. Satria manahy be ihany ny amin’ny fifampihantsiana sy fi­fandranitana misy etsy sy eroa sy amin’ny haino aman-jery maro samihafa. Mila lanjalanjaina ny vava avoaka sy ny fanehoan-kevitra.” Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny antoko Lay fitiavana an’ny re­hetra (Alfa), Rakotoniaina Mamitiana, manoloana ny toe-draharaham-pirenena […]

Filoha Rajoelina Andry : “Tsy maintsy henjana ny sazy amin’ny fanolanana”

Nahabe adihevitra teto Madagasikara talohaloha teo ny amin’ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana ka nanaovana lalàna ny amin’ny famosirana izay tratra sy melohin’ny fitsarana noho ny fanolanana zaza tsy ampy taona. Efa saika lasa adihevitra politika aza izany… Ani­san’ny nahatonga ny di­sadisa diplaomatika niafara tamin’ny fandaozan’ny ambasadaoron’ny Vondrona eoropeanina telo aloha iray […]

FANTINA sy FINTINA

Nitsidika ara-pomba fifanajana ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, teny Faravohitra, omaly, ny lehiben’ny mpirakidraharaha eny anivon’ny Filankevi-panjakana, Razafimahery Todisoa Nandrianina. Nifantohan’ny dinika ny asam-pitsarana sy ny fanatsarana izany ary ny fahaiza-manao eo anivon’ny Filankevi-panjakana. Nilaza ny mpitarika ny RMDM, ny pasitera Tsarahame Edouard, teny Bel’Air, afakomaly, fa tsy […]

Fanendrena loholona : Mangataka toerana iray ny Synad

“Tena manana adidy ma­vesatra ny administratera sivily amin’ny alalan’ireo solontem-panjakana eny ifotony, ny prefet de Police sy ny lehi­ben’ny distrika.” Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny sendi­kan’ny administratera sivily (Synad), Rakotondra­manana Solofotahina Lalaina, manoloana ny fiatrehana ny fifidianana loholona amin’ny 11 desambra. Ry zareo no filohan’ny Organisme mixte de conception (OMC) […]