Politika

Imerintsiatosika : Voasakana ny fidinana an-dalambe nokasain’ny Fivoi

Voasakana ny hetsika fidinana an-dalambe nokasain’ny Fivoi hatao teny Miakadaza, Imerintsiatosika, faritra Itasy, omaly. “Nijery izahay hoe: nisy fangatahana alalana ve? Satria izay no lalàna. Tsy nisy fangatahana alalana tonga tao aminay”, hoy ny fanaza­van’ny lehiben’ny distrika, Ra­zafindralambo Rojo, teny an-toerana. Ny dikan’izany, tsy na­hazoana alalana ny fi­hetsi­ketsehana nokasaina hatao. […]

Synad : “Aoka tsy hoentina eny amin’ny tsy fanarahan-dalàna ny vahoaka”

Nisy ny fikasana hanao hetsika an-dalambe tany Imerintsiatosika, faritra Itasy, omaly. “Aoka tsy hoentina eny amin’ny tsy fanarahan-dalàna ny vahoaka”, hoy ny Synad. “Tsy tokony ho eny amin’ny tambajotran-tserasera no mifanazava, fa tokony hifanatona any anaty birao. Na manatona avy hatrany ireo lehibe isan’ambaratonga mifehy mivantana. Aoka tsy hoentina eny […]

Andriamanana Nivoarivony : “Tsy mampisy tamberin’andraikitra ny anto-bola be amin’ny fifidianana”

Ao anatin’ny fiatrehana fifidianana loholona izao. Maneho ny fijeriny ny sekretera jeneralin’ny fikambanana Action sociale pour développer (ASD), anisan’ny mpiofana amin’ny fitantanana fifidianana, karakarain’ny Enam sy ny COI ary ny Ceni eny Androhibe, Andriamanana Nivoarivony: “Rehefa lasa ambony be ny anto-bola amin’ny firotsahan-kofidina, lasa tsy manana tamberin’andraikitra amin’izay nifidy azy […]

FANTINA sy FINTINA

“Mapar 100% ve ny Antenimierandoholona ary ho Mapar avokoa ve ny loholona rehetra?” Io ny fanehoan-kevitry ny avy amin’ny antoko Humaniste-Écologiste, Ralambomahay Toavina, omaly, manoloana ny fampiakarana ho 60 tapitrisa Ar ny anto-bola firotsahan-kofidina loholona. Mihasarotra ny tolona ataon’ny olom-pirenena amin’izao fitondrana izao. “Tsy mety ary fanilihana ny fandikany ny […]

Safidy : “Fanilihana olona ny anto-bolan’ny firotsahan-kofidina loholona”

“Nanaitra ny sain’ny maro ny hoe 60 tapitrisa Ar ny anto-bola amin’ny fifidianana loholona. Folo taona lasa, 450 000 Ar izany; tamin’ny 2020, 15 ta­pitrisa Ar; izao, miakatra ho 60 tapitrisa Ar.” Io ny fanehoan-kevitry ny mpitondra tenin’ny firaisamonina sivily Safidy, Razanamahefa Désirée Marie Stella, teny Ambatonakanga, omaly, momba ny fampiakarana […]