Politika

ONG Tolotsoa : “Mila fanazavana ny tsy famerenana fifidianana kaominaly”

Mbola tsy tanteraka, hatramin’izao, ny famerenana ny fifidianana ben’ny Tanàna amin’ireo kaominina sasany. Mila fanazavana ny momba izany, araka ny nambaran’ny eo anivon’ny ONG Tolotsoa. “Amin’izao fotoana izao, efa navoaka ny fankatoavan’ny go­ver­ne­manta ny datim-pifidianana loholona amin’ny 11 de­sambra, naroson’ny Ceni. Mi­dika izay fa tsy handeha alohan’izay fifidianana loholona izay […]

Rasoamaromaka Hery : «Tokony hatao laharam-pahamehana ny fiainam-bahoaka»

Nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety ny Governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery, omaly, tetsy Ambohidahy. «Ny fitadiavana vahaolana ho an’ny firenena ihany izao no tokony hatao laharam-pahamehana», hoy izy Nambaran’ny governo­ran’ny faritra Anala­manga, omaly, tetsy amin’ny biraony, Ambohidahy, fa tsy tokony hatao adihevitra amin’izao fotoana izao ny mety hisian’ny taom-piasana […]

FANTINA sy FINTINA

Atao amim-pahitsiana sy amim-pahamarinana ny asan’ny fitsarana mba hahazoana mampihatra ny lalàna, araka ny hafatry ny mpitahiry ny fitombokasem-panjakana sady minisitry ny Fitsa­rana, Rakoto­man­dimby Benjamin Alexis, tamin’ny fananganan-tsaina teny Fara­vohitra, omaly. Nampa­hery ny mpiara-miasa izy amin’ny fahasarotan’ny asan’ny fitsarana. Tsy mila dinihina eo anivon’ny fivoriam­ben’ny Firenena mikambana (ONU) intsony ny […]

Vaomieran’ny ranomasimBe Indianina : Hatsangana ny sekoly momba ny fifidianana

“Tanjona ny fametrahana sekoly momba ny fitantanana fifidianana”, hoy ny fanaza­van’ny sekretera jeneralin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI), Razafindra­vahy Edgard, tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny Enam, Androhibe, omaly, momba ny atrikasa fampiofanana ireo mpiantsehatra amin’ny fifidianana. Mifanindran-dalana rahateo amin’ny 15 septambra, Andron’ny demokrasia, izany. Mandray anjara amin’ izany ny solontena avy […]

Firotsahan-kofidina loholona : 60 tapitrisa Ar ny anto-bola isaky ny lisitra kandidà

Hatao ny 11 desambra izao ny fifidianana loholona, araka ny didim-pitondrana navoakan’ny governemanta. 60 tapitrisa ariary ny anto-bola isaky ny lisitry ny kandidà amin’izany. Misy ny didim-panjakana 2025-912 navokan’ny governemanta, tamin’ ny 9 septambra 2025, izay fanaikana ny mpifidy amin’ny fifidianana loholona ho amin’ ny 11 desambra. Ny mpifidy vaventy […]