Ny masoivohon’i Madagasikara any Chine no filohan’ny sampana Sadc any an-toerana. Himasoana ny fikarohana fiaraha-miasa sy ny fanamafisana ny fifandraisana amin’ny firenena sinoa. Ny lafiny tontolo iainana, toekarena, diploamasia… Ireo no anisan’ny hodinihina akaiky anatin’ity vondron’ny SADC any Chine ity, manomboka izao, araka ny fampitam-baovao voaray tamin’ny tambajotran-tserasera, omaly. Fantatra […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Nandray ny ambasadaoron’ny Federasionina rosiana eto Madagasikara, i Andrey Andreev, teny amin’ny Raharaham-bahiny, Anosy, omaly, ny minisitra Rasata Rafaravavitafika. Voaresaka ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta. Voaasa amin’ny fihaonambe faharoan’ny minisitra Rosia-Afrika, any Le Caire, Ejipta, ny 18-19 novambra 2025, i Madagasikara. Natao tany Beyrouth, Liban, ny fivoriambe voalohan’ny Filankevitry ny […]
Safidy : “Tsy azo ihodivirana ny fifidianana loholona”
“Momba ny vokatra azo amin’ny rafitra: voalazan’ny lalàmpanorenana ny Antenimierandoholona, tsy maintsy apetraka mba ho feno ny rafitra mpanao lalàna na ny parlemanta.” Io ny fanazavan’ny mpitondra tenin’ny firaisamonina sivily Safidy, Razanamahefa Désirée Marie Stella, teny Ambatonakanga, omaly, momba ny fiatrehana fifidianana loholona. Noho izany, rafitra na andrimpanjakana tsy azo […]
Fifidianana ben’ny Tanàna tany Betroka: Nandresy teny amin’ny Filankevi-panjakana ny GJMP
Nandresy teny amin’ny Filankevi-panjakana ary efa nahazo taratasy manamarina izany ny GJMP, araka ny fanazavan’ny depiote Randrianasolo Jean-Nicolas momba ny fifidianana ben’ny Tanàna tao amin’ny kaominina Mahazoarivo, distrikan’i Betroka. «Nivaly ny Filankevi-panjakana fa mandresy izahay, ary efa nahazo taratasy ny amin’izany ny GJMP tamin’ny 5 septambra.” Io ny nambaran’ny depiote […]
Fitantanana maneran-tany : Misarika amin’ny lafiny fampandrosoana mirindra i Chine
Nanao fanambarana ny filohan’i Chine, Xi Jinping, nandritra ny fivorian’ny Organisation de Coopération de Shanghai (OCS) Plus, ny 1 septambra teo. Nambarany tamin’ny kabariny ny soso-kevitra ho fandraisana an-tanana ny Fitantanana maneran-tany (IGM), izay niantsoany ny firenena rehetra mba hiara-hiasa hanangana rafitra mirindra kokoa, ara-drariny ary mitovy lenta. Na mbola […]




