Politika

Rakotoarisoa Florent : “Atsaharo ny fanosoram-potaka ny HCC”

“Mitodika amin’ny filoha teo aloha (…): miangavy izahay mba hanatsaharana ny fanosoram-potaka ity Fitsa­rana avo momba ny lalàmpanorenana ity any amin’ny firenena any ivelany sy amin’ny vondrona iraisam-pirenena izay toa mihaino feon-dakolosy tokana”. Izay ny kabarin’ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent, taorian’ny lanonam-pitsarana nandraisana ny fianianan’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michael, […]

Fitantanana ny tetezamita: Nahavita fianianana ny Kly Randrianirina Michael

Tontosa omaly, teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, Ambohidahy, ny fianianan’ny Filoham-panjakana, Kly Randrianirina Michael. Ny politikan’ny fitsitsiana no vaindohan-draharahany. Vita soa aman-tsara omaly ny fianianan’ny filoham-panjakana, hiandraikitra ny fiadidiana ny Fanavao­zana ny Repoblikan’i Mada­gasi­kara. Manamarika ny fandraisan’ny kolonely Randria­ni­rina Michael ny fahefana izany. Nivoitra tamin’ny lahateny izay nataony […]

FANTINA sy FINTINA

Naneho ny heviny hatrany ny minisitra teo aloha, Sahondrarimalala Michelle, manoloana ny raharaham-pirenena. Nambarany fa tsy hanakiana ny didim-pitsarana ny tenany amin’ny maha mpitsara azy. « Mba hitondra fitoniana sy hamaha ny olana tokoa ny fanapahan-kevitra rehetra noraisina », hoy izy. Niravona ny disadisa teo amin’ny Kly An­dria­nasoavina Charles sy ny Jly […]

Kolonely Randrianirina Mickael: “Tendrena aorian’ny fianianana ny Praiminisitra”

Amin’izao, andrasana fatratra izay ho Praiminisitry ny Tetezamita. Aorian’ny fianianan’ny filohan’ny fanavaozana ny Repoblikan’i Mada­gasikara, ny Kly Randrianirina Mickaël, anio. Ho hita eo… “Efa ao anatin’ny fandraisana olona tanteraka izahay izao, ao anatin’ny fitadiavana ny olona itoviana hevitra”. Io ny nambaran’ny filohan’ny fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Kly Ran­drianirina Mickaël, […]

Disadisa politika: Misokatra tsikelikely ny fifampidinihana

Manao ranolava ny fanambarana iraisam-pirenena miantso fifampidinihana amin’ny samy Malagasy. Tsy mandà, mampirisika izany rahateo ny ekipan’ny kolonely Randrianirina Michael. Samy nanao antso avo ny amin’ny hirosoana amin’ny fifampiresahana avokoa ireo rafitra sy vondrona fiaraha-miasa aty Afrika ireo, tao anatin’ny 24 ora. « Ilaina ny fifanatonana, tsy manilika ny hafa ao […]