Politika

FANTINA sy FINTINA

Naneho hevitra fohy amin’ny « Facebook » ny depiote, Andriamananoro Augustin manoloana ny raharaham-pirenena. Nambarany fa tsy tokony hosimbaina ny soatoavina. « Tsy mahasoa ny fihantsiana sy ny ramatahora. Hajao ny fahendrena fa efa miroso amin’ny fifampiresahana ny FFKM. Hikatsa­hantsika fitoniana sy vahaolana izany », hoy izy. Manameloka ny famafazana lainga sy ny fanaparitahana […]

Andrimpanjakana : Narodana ankoatra ny Antenimierampirenena

“Izahay mpikambana eto anivon’ny fiadidiana iombonan’ny filoham-pirenena ho amin’ny fanavaozana dia mamoaka ny didy hitsivolana ara-panorenana lah. 2025-001, izay mampiato ny lalàmpanorenana tamin’ny 11 desambra 2010 amin’ireo andininy mifanipaka amin’ity didy hitsivolana ity ary mametraka ireo rafitra fanavaozana nasionaly”. Io ny fanambaran’ny miarami­lan’ny Capsat, notarihin’ny Kly Randrianirina Mickael, teny amin’ny […]

Notendren’ny HCC : Filoham-panjakana ny Kly Randrianirina Michael

Hisahana ny asan’ny filoham-panjakana, manomboka eto ny Kly Randrianirina Michael. Namoaka fanapahan-kevitra fankatoavana izany ny eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), omaly, manoloana ny raharaham-pirenena. Niainga avy amin’ny fangataham-panazavana nataon’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, omaly, ny amin’ny fahabangan-toeran’ny filohan’ny Re­poblika izany. Eo koa ny tsy fisian’ny […]

FMMM : Manameloka ny jadona sy ny herisetra

Manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, mijoro ny firaisan’ny mpandinika miozolomanina eto Madagasikara (FMMM) ka namoaka fanambarana. Voalazan’izy ireo fa rehefa ny tsy fahamarinana sy ny tsy rariny ary ny tsindrihazolena no mahazo vahana eo amin’ny fiarahamonina na firenena dia tsy maintsy miafara amin’ny korontana izany. Lalàna voajanahary tsy azo ihodivirana izany, […]

Tsy fanomezana fahazoan-dalana : Niala tsiny sy nifona ampahibemaso ny prefet Antananarivo

“Mitondra ny fialantsiny sy ny fifonana ampahibemaso raha toa ka misy ny fanapahan-kevitra noraisina ka tsy mifanaraka tamin’ny eritreritry ny besinimaro”. Io ny nambaran’ny prefet Antananarivo, ny jeneraly Ravelonarivo Angelo, tao amin’ny haino aman-jery tsy miankina iray, omaly, ny amin’ny tsy nanomezany fa­hazoan-dalana hanao hetsika teny Ambahijatovo, tamin’ny 25 septambra, […]