Tokony ho ara-drariny sy ara-dalàna mandrakariva ny fitantanam-panjakana na ny fitondrana. Amin’izay, mitoetra ary maharitra ny fahamarinan-toerana. Mila mifameno ny hasina sy ny fahefana. Famakafakana… Amin’ny ankapobeny, hasina no andikan’ny Malagasy ny hoe “autorité”. “Hery misy fahefana hanasoa na handresy, heverina ho misy ao amin’ny fanahy na olona na zavatra […]
Politika
Menaka tsy azo amidy eny amin’ny tsena: Takina ny fanazavan’ilay orinasa mpanondrana
Nambaran’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Indostria sy ny varotra, ny 3 jolay teo, fa tsy azo amidy eny an-tsena ny menaka sakafo, mitondra ny marika “Roots”. Noraisin’ny fitaleavan’ny Indostria sy ny varotra any Antsirabe izany fanapahan-kevitra izany taorian’ny fisafoana nataon’izy ireo ny 23 jona teo, tamin’ny mpamongady iray. Hatramin’ izao anefa, […]
Menaka, Jirama, fahapoizinana… : Mitaky ny fahamarinana ny KFM/Cnoe
Zo fototra ny vaovao marina, fototry ny demokrasia sy ny fampandrosoana ny firenena, araka ny fanambarana ny eo anivon’ny KMF/Cnoe, manoloana ny olana sosialy eto amin’ny firenena. Lohatenin’ izany “Noana fahamarinana ny olom-pirenena”. Nambaran’izy ireo fa mahasoa ny mpitondra fanjakana sy ny firenena ny famakiana batsilana ny zava-misy marina, mba […]
Ranomasimbe Indianina: Mampitovy tadindokanga ny ben’ny Tanàna AVCOI
Mampitovy fomba fijery ny ben’ny Tanàna aty amin’ny Ranomasimbe Indianina. Resy lahatra izy ireo fa avy ifotony no hiaingan’ny tena fampandrosoana. Ny olana amin’ny hetra sy fampidiram-bola, ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny fahaiza-mitantana sy ny miralenta… Ireo no iraisan’ny eo anivon’ny Fikambanan’ny ben’ny Tanàna an-tanàn-dehibe sy ny ny vondrombahoakam-paritra aty […]
Fampandrosoana ny kaominina : Hifampizara traikefa ny fikambanana AVCOI
“Sehatra iray nomena an’ ireo ben’ny Tanàna hifampizarana traikefa ny AVCOI”. Io ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andrianambony Nala Clara Michel, ny amin’ny fivoriambe isan-taon’ny fikambanan’ny ben’ny Tanàna mitantana tanàn-dehibe aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina (AVCOI) izay hatao eto Antananarivo, ny 8 sy 9 jolay. Nijoro […]




