Politika

FANTINA sy FINTINA

Mitohy ny hetsika fanamaivanana ny fidiran’ny mpianatra, tanterahan’ny antoko Malagasy miara-miainga, amin’ny alalan’ny vehivavy VMMM. Mivarotra fitaovam-pianarana amin ‘ny vidiny mirary izy ireo amin’izany ka hisitraka izany ny herinandro ity ny eny Ambohitrimanjaka, Ambohimangakely, Alasora, Vilihazo ary Ambohitseheno… Mamita iraka any Bénin ny delegasionin’ny Ceni, tarihin’ny filohany, Andrianarisedo Dama Arsene. […]

Minisitry ny Raharaham-bahiny : «Hiditra amin’ny fivorian’ny filankevitry ny minisitra ny Sadc»

Amin’ity herinandro ity, hiditra amin’ny fivorian’ny filankevitry minisitra ny firenena mpikamban’ny Sadc, izay hatao amin’ny 12-14 aogositra ho avy izao, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Rahara­ham-bahiny, Rasata Rafa­rava­vitafika, teny Anosy, ny faran’ny herinandro teo. Ankoatra izany, hisy ny dinika hiarahan’ny firenena mpikamban’ny Sadc miaraka amin’i Etazonia. Handinihana ny hoavy sy […]

Filoha Rajoelina Andry: “Ho avy ireo filoham-panjakana eo anivon’ny Sadc”

Efa akaiky ny fihaonana an-tampon’ny Sadc. Araka ny nambaran’ny filoha Rajoelina Andry, ny faran’ny herinandro teo, hoavy avokoa ireo filoham-panjakana eo anivon’ity rafitra ity. “Niantso avokoa ny filoham-panjakana, ny avy ao Afrika Atsimo nilaza fa ho avy. Ny avy any Tanzania, ny Repoblika demokratikan’i Congo, ny Praiminisistra atsy Maurice, ny […]

Masoivohon’i Algérie : Nitsidika ny filohan’ny Antenimierampirenena

Noraisin’ny filohan’ny An­tenimierampirenena, Toke­ly Justin, teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza, ny masoivohon’ny Repoblika alzerianina demokratika entim-bahoaka, Miloud Benmakhlouf, omaly. Nohamafisina, nandritra iza­ny, ny fifandraisana ara-di­plaomasia sy ara-pirahalahiana eo amin’ny firenena roa tonta. Maro ireo fifanarahana mila havaozina mba ho fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny sehatry ny fambolena, ny fanofanana arakasa ary ny […]

FANTINA sy FINTINA

Nampita hafatra fiantsoana fitoniana ny filohan’ny Antenimierampirenena, i Tokely Justin. Niantso ny hampitsaharana ny fifandranitana politika ny tenany amin’izao handraisana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc izao. Nanentana ny rehetra hahay handala ny soatoavina sy ny fihavanana koa ity filohan’Andrimpanjakana ity. Vahiny manokana hanatrika ny fivorian’ny Sadc ny filohan’ny Banky arabo ho […]