Noraisin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, tetsy Anosy, ireo mpikambana eo anivon’ny Birao vaovaon’ny sendikan’ny injenieran’ny fandrefesan-tany (SisTM). Niompana amin’ny fiaraha-miasa ny dinika. Nisongadina tamin’ny fihaonana ny fahavonon’ireto “Syndicat des ingénieurs des services topographiques – SisTM” ireto hiara-hiasa akaiky amin’ny MF FT. Tafiditra amin’ny […]
Politika
Nosy Maorisy : Nanamafy ny fitiavan-tanindrazana ireo Diaspora
Nifamotoana tao an-dRenivohitry ny nosy Maorisy ireo tanora malagasy any an-toerana “Diaspora”, ny herinandro teo. Tafiditra amin’ilay hetsika andiany faharoa iarahana amin’ny MRS Association izany. Nivoitra tamin’ny fihaonana ny fanehoana ny fitiavan-tanindrazana. Nahomby amin’ny ankapobeny ity hetsika “Motivational Speech” ity. Nahavory tanora maherin’ny 40 izany fihaonambe izany. Anisan’izany ireo mpianatra […]
FANTINA sy FINTINA
Nilaza ny mbola haneho hevitra saingy mbola nisafidy ny hangina aloha izao ny minisitra teo aloha, Pierre Holder, raha ny nambarany teny Ivandry. Na izany aza, nanteriny fa anisan’ireo niara-nivory tamin’ny filoha Rajoelina Andry, teny Ivato, momba ny “Iles Eparses” izy ny taona 2019. “Mbola mpamakafaka ny raharaham-pirenena hatrany aho […]
Rakotomanana Richardson : « Manimba firenena ny adihevitra tafahoatra »
“Manimba firenena ny adihevitra tafahoatra”, hoy ny filohan’ny Fiombonan’ny firaisamonina sivily ho amin’ny fandrosoan’ny Malagasy na ny Coalition de la société civile pour le progrès des Malagasy (CSCPM), Rakotomanana Richardson, teny Antaninarenina, omaly, manoloana ny tsy fiatoan’ny adihevitra momba ny fanapoizinana amin’ny sakafo tato ho ato. Toetsika Malagasy ny fitiavana […]
Fanomanana ny fihaonana an-tampony : Tafapetraka ny foibe fandrindrana ny fivorian’ny Sadc
Tafajoro tamin’ny fomba ofisialy eny amin’ny kianja Barea, Mahamasina, omaly, ny Ivontoeram-pibaikoina (Centre de commandement opérationnel – CCO) ny fihaonana an-tampony faha-45 eo anivon’ny Sadc. Hiainga amin’izany avokoa ny fandrindrana ity fivoriana iraisam-pirenena horaisina eto Madagasikara ity. Anisan’ny mpikambana ao anatin’izany ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika. Eo koa ny […]




