Mitaky ny fametraham-pialan’ny mpitondra ny depiote Rajerison Antoine, araka ny fanehoan-keviny, omaly, teny Tsimbazaza. Nohitsiny fa potika ny tanindrazana noho ny tsy fahaiza-mitantana. “Tsy tonga any amin’ny vahoaka ny tamberin’andraikitra fa lasa any amin’ireo nametraka ny fahefana”, hoy izy. Hihaona amin’ireo mpomba sy mpanohana azy, ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana […]
Politika
Politika ankapoben’ny fanjakana : Tanjona lehibe ny hampihena ny fahantrana
“Tanjona lehibe ny hanatrarana ny fahataran’ny fandrosoana eto amin’ny firenena amin’ny alalan’ny fampiakarana ny harin-karena faobe, ny famoronana asa, ny fanatsarana ny fahefa-mividin’ny vahoaka, ny famehezana ny fitombon’ny mponina, ary ny fanatsarana ny fitantanana mba hampihena tokoa ny fahantrana amin’ny fomba maharitra.” Io ny nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian tamin’ny fifanatrehan’ny […]
Depiote sy ny governemanta : Tototry ny fitarainana sy fitakiana ireo minisitra
Nirarakompana ny fitarainana sy fitakiana nataon’ireo depiote amin’ny fifanatrehana amin’ny mpikamban’ny governemanta, omaly, teny Tsimbazaza. Anisan’ny nitaraina amin’ny halatra omby ny depioten’i Bekily. Miisa 3 000 ireo omby very noho ny tsy fandriampahalemana. “Takinay ny hamongorana ny asan-dahalo”, hoy izy. Nahitsy koa ny depioten’Ambositra amin’ny haratsian’ny lalana ka miteraka tsy […]
Faritra Vakinankaratra : Mametraka ny tany tan-dalàna ny prefet
Mitohy isam-bolana tahaka ny fanao ny fihaonan’ireo solontenam-panjakana miaraka amin’ny governoran’ny faritra Vakinankaratra amin’ny mpanao gazety. Anisan’izany ny notanterahina ny herinandro teo, tao Antsirabe. Nandray ireo solontenam-panjakana, toy ny Prefet, sefo distrika, lehiben’ny “Centre d’immatriculateur Antsirabe – Cim” ny eo anivon’ny faritra Vakinankaratra. Tafiditra amin’ny fihaonana fanao isam-bolana eo anivon’ny […]
Tanàna madio: Raikitra ny fifaninanana
Manomboka amin’ny tena sy ny toerana misy antsika ny fiovana. Anisan’ny foto-kevitry ny fifaninanana “Tanàna madio, maitso sy maha te-honina” iarahana amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) izany. Nirotsaka an-tsehatra nanomboka ny azy ny faritra Analamanga sy Analanjirofo. Niarahin’ireo tomponandraikitra ny hetsika ho mariky ny fandavan-tena sy […]




