“Ilaina ny mifampitsinjo, mifanohana, mifampizara. Tsy azoko atao ny tonga eto Maroantsetra, ka tsy hitondra hafaliana amin’ny alalan’ny fizarana fanomezana”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, tamin’ny fanomezana vatsy tsinjo ho an’ny mponina any Maroantsetra, Faritra Ambatosoa, omaly. Vary amin’ny gony, voamaina, ronono, savony…. Mila porofoina amin’ny fihetsika ny […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Hanomboka anio ny fidinan’ny fitondram-panjakana any amin’ny faritra Ambatosoa. Hotanterahina any an-toerana ny filankevitry ny minisitra. Hitohy amin’ny fitokanana fotodrafitrasa izany. Anisan’izany ny “Parc solaire”, kianja, hopitaly manara-penitra, tsena. Eo koa ny asa sosialy hanohanana ireo marefo ary arahana fampisehoan’ireo artista malaza. Miantso fitoniana ny mpitondra tenin’ny governemanta, amin’izao handraisana […]
Filohan’ny OJM : “Tsy sakanana hikaroka loharanom-baovao ny mpanao gazety”
“Voalazan’ny And. 7 sy 60 amin’ny lalàna 2020-006 mifehy ny serasera amin’ny haino vaky jery fa tsy sakanana na rarana hikaroka loharanom-baovao ny mpanao gazety”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM), Rasoloarisoa Monica Harimbola, teny Anosy, omaly, manoloana ny fitarainana mpanao gazety tsy mahazo loharanom-baovao amin’ny “Raharaha […]
Raharaha Ambohimalaza : Mpianakavy nifamosavy !
Mazava ny tenin’ny filohan’ny Repoblika, fa mpianakavy nifamosavy noho ny disadisam-pitiavana no nahatonga ilay raharaha Ambohimalaza. Zavamaniry misy poizina no nampiasaina namonoana ireo mpilanona. “Zava-maniry Ramiary sy Beladôme no nafangaron’ilay nahavanon-doza nanapoizinana ny sakafo nafahafatesana olona 32 teny Ambohimalaza”, hoy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. “Olana ara-pitiavana, lonilonin’ny mpianakavy no […]
Tolo-kevitry ny OSC : “Tokony ho Malagasy izay ho kandidà”
Anisan’ireo efa nandefa soso-kevitra ho fanatsarana ny lalàm-pifidianana eny anivon’ny Ceni, araka ny antso nataony, ny Vondron’ny fiarahamonim-pirenena, OSC. “Tokony ho ireo olom-pirenena mizaka ny zom-pirenena malagasy ihany no afaka miatrika ny fifidianana eto amin’ny firenena”, hoy izy ireo. Nasongadin’ireto fiarahamonim-pirenena ireto koa ny tokony hamaritana sy hijerena amin’ny antsipiriany […]





