Notanterahina omaly, tetsy Anosy, ny fivoriana namintina ny asa vita tamin’ny fanovana ho niomerika ireo antontan-taratasy kirakiraina eny anivon’ny sampandraharahan’ny fananan-tany “Cirdoma” sy ny fandrefesan-tany “Cirtopo”. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Produir ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra. Nanaovana tombana tamin’izany ny asa vita amin’ireo sampandraharaha rehetra eo anivon’ny fananan-tany. Voaresaka tamin’izao […]
Politika
Fanatsarana ny fifidianana: Hiroso amin’ny fampiasana ny « biométrique » ny Ceni
Hohatsaraina ny zotram-pifidianana. Noraisin’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni), Andrianarisedo Dama Arsène, teny Alarobia, omaly, ny solontena maharitry ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana ho an’ny fampandrosoana (Pnud), ny Dr Edward A. Christow. Nivoitra tamin’izany fihaonana izany ny hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Tafiditra ao anatin’izany ny […]
Ralambomahay Toavina : “Politika ihany no ahazoana manova ny firenena”
Mihamahazo vahana ny hoe tsy miankina na mahaleo tena eo amin’ny tontolo politika amin’izao. Aiza ny mpanao politika? Na ny fanaovana politika… Maneho ny fijeriny ny mpitahiry volan’ny antoko Humaniste et écologiste sady filoha lefitry ny Filankevitry ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, Ralambomahay Toavina”. Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny fanaovana […]
FANTINA sy FINTINA
Nitondra fanazavana momba ny fivoriana nikaton-trano, omaly, teny Tsimbazaza, ny depiote Gascar Fenosoa. Nambarany fa misy amin’ireo mpanolotsaina teknikan’ireo solombavambahoaka no tsy mbola nandray karama. “Noresahinay tamin’ny minisitra izany ka tsy mitombina ny filazana fa resaka tombontsoa manokana no niadianay tao”, hoy izy. Niova ny fizotry ny fivorian’ireo loholona rehefa […]
Fivoriana nikaton-trano teny Tsimbazaza : Niadian-kevitra ny tetibola ho an’ny depiote
Tsy nisy nipika ny resaka taorian’ny fihaonana nikaton-trano tamin’ny depiote nandinihana ny tetibola ho azy ireo? “Voaantso taty amin’ny Antenimierampirenena ny tenako. Resaka mikaton-trano no anton’ ny niantsoana ahy. Manaja ny rafitra demokratika aho: tonga amim-panajana aho rehefa ampiantsoana”, hoy ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabanirinarison Rindra Hasimbelo, […]




