Mitohy ny fametrahana ny Birao solontenan’ny fananan-tany iraisana « BSFI » eny ifotony. Ezahin’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana (MFFT) hapetraka amin’ireo distrika manerana ny Nosy izany. Anisan’ny nisitraka izany ny ao amin’ny kaominina Ankadinondry Sakay, faritra Bongolava. Natao hisahana ny kaominina Tsinjoarivo, Ambararatabe, Mahasolo, Maritampona, Maroharona koa ny BSFI ao […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Mitarika ny delegasionina any Frantsa ny filoha Rajoelina Andry, mandray anjara amin’ny fivorian’ ny firenena mikambana momba ny Ranomasimbe (UNOC3). Nanomboka, omaly hatramin’ny 13 jona any Nice izany. Hisongadina ny hiarovana ny tombontsoa amin’ny fari-dranomasiny sy ny fiandrianany amin’ny faritra ara-toekaren’i Madagasikara. Nahemotra ny filankevitry ny minisitra, tokony hatao any […]
KMF/Cnoe : “Mila hatsaraina ny rafitra fanaovan-dalàna”
“Aminay, ny fijerena ny rafitra no zava-dehibe. Matoa tafavoaka aty ivelany izany tolo-dalàna izany, avy anatiny no nisy fivoahany. Ny rafitra sy ny lalàna eto amintsika no heverinay hoe lasa mampiady ka tokony hohatsaraina”. Izay ny fanehoan-kevitry ny fikambanana KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena tamin’ny alalan’ny filoha nasionaliny, i Namearison Robert, tany […]
Hafatra Pantekoty – FFKM : “Aoka tsy handainga fa ampanjaka ny marina”
Nampita hafatra Pantekoty ny eo anivon’ny FFKM, ny faran’ny herinandro teo. Eo hatrany ny fitodihan’izy ireo amin’ny raharaham-pirenena tahaka ny mahazatra rehefa manao fanambarana. Niantso ny kristianina sy ny vahoaka malagasy ny FFKM mba tsy ho kivy manoloana izao, hasarotry ny fiainana izao. “Aoka hijoro ho vavolombelona eo anivon’ny ankohonana […]
Filohan’ny Antenimierampirenena: “Hanatsarana ny asan’ny parlemanta ny IA”
Nifarana afakomaly, tatsy Zimbaboe, ny atrikasa «Fampiasana ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA)», ho fampivoarana ny fizotran’ny asan’ny parlemanta. Nitarika izany ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin. Nasongadiny tamin’izany fa hojerena ny fomba mahomby sy hanatrarana ny tanjona eo anivon’ny SADC amin’ny traikefa, fanamby ary fahafahana amin’ny fampiasana ny IA ho fanatsarana ny […]




