Nitafa tamin’ny mpanao gazety, omaly, ny kaomity mpikarakara ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc. Nitarika izany ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika. Nilaza ity farany tamin’ny fanambarana izay nataony, tao amin’ny foiben’ny kaomity, ao amin’ny Kianja Barea, fa efa mipetrapetraka avokoa ny fandaminana. “Efa tonga teto ny iraky ny Sadc […]
Politika
Fanamafisana ny fahaiza-manao: Hatsaraina ny fomba fiasa amin’ ny fananantany
Nanomboka omaly ny atrikasa fanamafisana fahaiza-manao ho an’ireo tomponandraikitry ny sampandraharahan’ny fananantany. Tafiditra amin’ny fanatsarana ny fomba fiasa izany. Anisan’ny misitraka izao atrikasa sy fampiofanana izao ny avy any amin’ny faritra Bongolava sy Itasy ary Analamanga, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Miompana amin’ny fanatsarana ny […]
Raharaham-pirenena : Fampiasana ara-dalàna ny herisetra ny Fanjakana
Hatramin’izao ary na aiza na aiza, saika ifandroritana mandrakariva ny amin’ny hoe Fanjakana: inona, hanao inona… ? Tsy inona fa antoko politika mitazona ampihimamba amin’ny fampiasana ara-dalàna ny herisetra ny Fanjakana. Andrana famakafakana… Manondro fikambanana iray manana fahefana amin’ny mponina mitoetra ao amin’ny faritany iray voafaritra ny Fanjakana ara-politika. Misongadina […]
FANTINA sy FINTINA
Nahitsy ny mpisolovava ny fianakavian’ireo namoy ny ainy, amin’ny “Raharaha Ambohimalaza”, ny Me Rafidison Eric. Nambarany fa lasa mampitombo ny marina tsy fantatry ny vahoaka ny lazain’ireo manampahefana. “Mbola tsy nahafantatra ilay singa nahatonga ny famosaviana isika. Angatahina ny hivoahan’ny tena marina”, hoy izy. Nambaran’ny loholona Lalatiana Rakotondrazafy, fa tsy […]
Fitantanana ny fananantany : Nankasitrahin’ny Banky iraisam-pirenena ny MFFT
Mandalo eto Madagasikara ireo iraka manokana ara-teknika eo anivon’ny Banky iraisam-pirenena. Noraisin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, tetsy Anosy izy ireo, omaly. Voaresaky ny roa tonta ny fizotry ny fanadihadiana momba ireo tetikasa atao mba hahafahana mametraka paikady eo amin’ny fananantany. Nohazavain’ny minisitra tamin’ireto […]





