“Tsy azo anaovana propagandy ny etsy anoloan’ny Lapan’ny Tanàna Analakely na ny Kianjan’ny 13 mey ary koa ireo lalana manodidina rehetra eo”, hoy ny eo anivon’ny Prefektiora. Voarara koa ny fanaovana hetsika manakaiky ny sekoly sy ny hopitaly na CSB na koa toeram-pitsaboana. Tahaka izany koa ny eny anivon’ny tsenam-bahoaka. […]
Politika
“Annuel Investment Meeting”: misarika ireo mpamatsy vola ny filoha Rajoelina Andry
Mitohy hatrany ny fanatsarana ny fifandraisana sy fitadiavana fiaraha-miasa vaovao, eo amin’ny firenena malagasy sy ny avy any ivelany. Maro ny fihaonana amina tomponandraiki-panjakana, ataon’ny filoham-pirenena Malagasy, amin’izao fihaonana iraisam-pirenena izao. Nisokatra omaly, ao Abu Dhabi, ny “Annuel Investment Meeting” (AIM) andiany faha-13. Vahiny manokan’ny filohan’ny Emirats Arabes-Unis, Mohamed bin […]
Antenimierampirenena : haka fanapahan-kevitra momba ny propangady
“Raha ny antontanisa tsotsotra, ny ankamaroanay solombavambahoaka dia samy mirotsa-kofidina avokoa. Saika ohatra an’izay koa ny ankamaroan’ny mpikambana ao amin’ny birao maharitra, ireo solombavambahoaka tsotra, ireo filoham-baomiera…”. Io ny nambaran’ny filoha mpisolo toerana vonjimaika eny anivon’ny Antenimierampirenena, Rabenirina Jean-Jacques, manoloana ny fiatrehana ny fivoriana ara-potoan’ny parlemanta hisokatra anio izay mifanindry amin’ny fampielezan-kevitra […]
Foloalindahy: manome lanja ny teny anglisy
Manome lanja ny fifehezana tenim-pirenena vahiny, ahafahan’ireo miaramila mivelatra amin’ny sehatra maro eo amin’ny famitana iraka marolafy, ny eo anivon’ny minisiteran’ny Foloalindahy. Hanomboka rahampitso ny dingana voalohany, handalina izany ny avy eo anivon’ny Vondrona mpiaro ny Filoha, eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, sy ireo miaramila mpitsabo ary mpiasa sivily ao […]
26 jona 2024 : hiavaka ny fanamarihana ny fetim-pirenena
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Foloalindahy (MFA), Ampahibe ny fanomanana ny fankalazana ny faha-64 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara sy ny nijoroan’ny Foloalindahy… Ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, no nitarika ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fotoam-pivoriana hanomanana ny fetim-pirenena, 26 jona […]




