Nanamafy ny filohan’ny fanavaozana fa atao laharam-pahamehana ny ady amin’ny kolikoly, izay mankaleo ny vahoaka. Nasiany tsindrim-peo manokana ny fanamboaran-dalana sy ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Mitohy ny fitetezam-paritra hataon’ny filohan’ ny fanavaozana sy ny mpiara-miasa aminy. Nijery ifotony fanarenana ny lalam-pirenena faha-41, mampitohy an’Ikelikapona sy Fandriana izy, tamin’ny sabotsy. Tafiditra […]
Politika
KMF/Cnoe: “Be dia be tsy mazava momba ny fikaonandoha”
“Nanapa-kevitra hanara-maso ny fikaonandohan’ny olom-pirenena ny KMF/Cnoe. Ny fahitanay azy, mbola misy zavatra be dia be manjavozavo amin’ny olom-pirenena. Mila fanazavana”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny KMF/ Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert, tany Morondava, omaly, ny amin’ny fikaonandohan’ny olom-pirenena. Firy andro, ohatra, ny fikaonandoha eny anivon’ny fokontany, ahoana […]
FANTINA sy FINTINA
Tsy tafiditra ny birao ny sefo fokontany vaovao eny Avaratetezana Ambohimanarina. Efa nivoaka ny naoty nanendry azy saingy nanohitra izany ny fokonolona eny an-toerana. «Tsy mipetraka ao amin’ny fokontany ity olona notendrenan’ny lehiben’ny distrika ity», hoy ny mponina. Efa nahangona sonia amin’arivo izy ireo nanoherana izany. Tsy tokony ho laniana […]
Filoha lefitry ny Antenimiera, depiote Fetra: « Mbola vonjimaika ny fanendrena sefo fokontany »
Nambaran’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Ralambozafimbololona Andriantsivoafetra, fa tsy maintsy mbola hirosoana ny fifidianana filoham-pokontany. « Mbola fepetra vonjimaika ny fanendrena sefo fokontany ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra aloha izao », hoy izy. Nolazainy fa tena nisy tokoa ny hetaheta teny an-dalambe nivoaka tamin’ny tolom-bahoaka ny amin’ny tokony hifidianana ny sefo fokontany. […]
Hafatra Pentekosta FFKM : “Aoka ho fiainantsika ny 4 F”
“Aoka ho fiainantsika ny 4 F: fiaiken-keloka, fibebahana, fahamarinana, fihavanana”. Izay ny hafatra Pentekosta FFKM, nampitainy omaly. Tao anatin’ny Fanambrana sy hafatry ny Komity foibe 47 sy fihaonambe FFKM, ny 19-21 mey 2026, nosoniavin’ny filoham-piangonana efatra mirahalahy. Tsy ho filamatra fotsiny ny 4 F, fa ampiharina eny an-tokantrano sy ny […]




