Politika

Tsy fahazoana karama: Manome 48 ora ny mpitondra ireo miaramila misotro ronono

Niaka-dapa! Nitokona teny Ampahibe, teny amin’ny minisiteran’ny Foloalindahy, avy eo nihazo an’Ambohitsorohitra ireo miaramila an-jatony, misotro ronono. Nitaky ny volany izy ireo ary nanome fe-potoana ny fitondram-panjakana.  Nambaran’izy ireo, ta­min’izany, ny fitakiana ny volan’izy ireo, ary nanomezany fe-potoana ao anatin’ny 48 ora hamahana ny olana. Hampiakarina eto an-dRenivohitra avokoa ireo […]

FANTINA sy FINTINA

Handinika ny raharaham-pirenena koa ireo taranaky ny andriana, avy amin’ny faritra samihafa. Manatanteraka fikaonandoha eto Antananarivo izy ireo, amin’izao fotoana izao. Tsiahivina fa mivondrona anivon’ny « Fédération des communautés royales traditionnelles coutumières culturelles de Madagascar – FCRTM » izy ireo. Miantso ny Tafika ho tony amin’ny andraikitra sahanina mandrakariva eto amin’ny firenena […]

Depiote Rafidimanana Narson : «Tsy tokony hadino ny fitakiana teny an-kianja»

Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny depiote Rafidimanana Narson. Nitodika manokana amin’ny fahefana mpanatanteraka ny tenany amin’izao fandinihana ny fanitsiana ny tetibolam-panjakana izao. « Tsy tokony hanadino na hi­vaona amin’ireo fitakiana teny an-kianja isika. Aoka hatao laharam-pahamehana amin’ny tetibola ny mahamaika ny vahoaka », hoy izy. Nohitsiny fa hitsangana izy ireo […]

Kolonely Randrianirina Michaël : “Izao vao tena hanomboka ny fanavaozana”

Niatrika ny fanompoam-pivavahana ho fanomanana ny fiatrehan’ny FFKM ny fikaonandoham-pirenena, natao teny Ankadikely Ilafy, ny filohan’ny Fanavaozana. Nambarany nandritra izany fa izao vao tena hanomboka ny fanavaozana. “Mila fanavaozana tena izy isika, ary izao vao tena ha­nomboka izany”, hoy ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, teny amin’ny FJKM Anka­dikely […]

FANTINA sy FINTINA

Nohamafisin’ny filohan’ny FFKM, Mgr Ranarivelo, fa tsy fikaonandoha akory ilay hotanterahin’izy ireo manomboka ny 18 hatramin’ny 21 mey izao. «Fanomanana no ataon’ny fiangonana amin’izao fotoana io», hoy izy. Notsiahiviny fa tsy nandray anjara tamin’ireo fikaonandoha rehetra natao ny FFKM na efa nomena ny “mandat” aza. Firenena laika i Madagasikara ka […]