Politika

Fihaonan’ny governemanta maneran-tany : nahazo fanasana manokana ny filoham-pirenena malagasy

Ankoatra ny fisokafana amin’izao tontolo izao, fanararaotra lehibe ho an’ny mpitondra hahafahana maneho sy mampahafantatra ny vinan’i Madagasikara amin’izao tontolo izao ity hetsika ity. Tanterahina any Dubai, nanomboka omaly ha­tramin’ny 14 febroary 2024, ny fihaonana an-tam­pon’ny governemanta maneran-tany. Anisan’ny filoham-pirenena sy lehibena Go­vernemanta miisa 7 voaasa manokana hanatrika ny filoham-pirenena […]

Fiatrehana fifidianana: miantso ny olom-pirenena hifidy ny FFKM

Miantso ny olom-pirenena hanatona ny biraom-pokontany ny FFKM ary hanamarina ny rejisitra, raha voasoratra ny anaran’ny tena sy ny ankohonana na tsia. Araka ny antso nosoniavin’ny filoham-piangonana efatra, ny 5 febroary lasa teo izany. Notsiahivin’izy ireo fa araka ny hafatry ny komity foibe faha-45 tany Fianaran­tsoa, ny 28-30 novambra 2023, […]

Fifidianana: ny 29 mey ny depiote, ny 6 novambra ny kaominaly

Namoaka ny volavolana tetiandrom-pifidianana ny Ceni, omaly, teny Alarobia. Ny 29 mey ny fifidianana solombavambahoaka ary ny 6 novambra ny ben’ny Tanàna. “Ny 29 mey ny fifidianana solombavambahoaka, ny 6 novambra ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina kaominaly na monisipaly”, hoy ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, teny Alarobia, omaly, […]

Fiatrehana fifidianana : tombontsoa ny fanaovana fanentanana

“Hamafisina ny fanentanana ny olom-pirenena amin’izay fisoratana anarana izay. Tom­bontsoa ho an’ny antoko politika sy ny firaisamonina sivily ny manamafy an’izay fanentanana izay, satria fifidianana manakaiky vahoaka ny hatao manaraka eo: ny ben’ny Ta­nàna sy ny mpanolotsaina ary ny depiote, izay olom-boafidy tena fidodododoan’ny olom-pirenena amin’izay hanehoany ny hetahetany sy […]

Loholona Eric Besoa: “Tsy vitan’ny mpitondra irery ny fampandrosoana”

Notokanana ny zoma teo ireo fotodrafitrasa maro voatsangana ao Moramanga. Manoloana izany, nanome hafatra ho an’ny vahoaka ny loholona Besoa Erick mba hikojakojana izany. “Hafatra omena ny va­hoaka mampiasa ireny fotodrafitrasa lafo vidy ireny dia ny mba hikojakojana miaraka ny fampandrosoana. Tsy vitan’ny mpitondra irery izany, fa hazakazaka lavitra ezaka: […]