Politika

Minisitra Andriantsitohaina Naina : nandiso ny vaovao miely momba ny tetiandrom-pifidianana

Tsy marina ny filazana fa namoaka ny tetiandrom-pifidianana ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina. Nanamafy izany izy, omaly, teny Tsimbazaza. Hentitra sy nahitsy! “Tsy mbola nisy tetiandro momba ny fifidianana solombavambahoaka sy ben’ ny Tanàna nivoaka hatreto. Mbola an-dalana ny famolavolan’ny governemanta izany”, hoy ny […]

Ben’ny tanàna : nokianin’ny MMM ny fanapahan’ny HCC

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga, ny herinandro teo, manoloana ny fanapahan-kevitra noraisina teto amin’ny firenena. “Mitohy ny fampiasan’ny mpitondra ny HCC amin’ny tsy ara-dalàna. Tsy anjaran’ireo mpitsara avo ny manome ny heviny momba ny fanitarana ny fe-potoam-piasan’ireo olom-boafidy. An­jaran’ny filankevi-panjakana izany”, hoy izy ireo. No­hitsin’ny MMM fa […]

Rasoamaromaka Hery : “Aleo hitambatra ny fifidianana kaominaly sy depiote”

Mipoitra avokoa ny tolokevitra rehetra. Manana ny fijeriny ny amin’ny hanatanterahana ny fifidianana depiote sy ny ben’ny Tanàna ary ny mpanolotsaina ny eo anivon’ny TGV. “Tsy fantatra izay mbola ho fanapahan-kevitry ny rehetra. Raha ny eritreritro manokana, tsy manam-bola isika dia aleo hitambatra ny fifidianana kaominaly sy ny fifidianana depiote. […]

VHT: “Ny fifidianana depiote no tokony hatao mialoha”

“Ny heno dia hoe ny fifidianana depiote no handeha mialoha, izay vao ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna. Raha ny marina, izay lany fe-potoam-piasana no mandeha aloha”. Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny an­toko Vonona hijoro ho an’ny tanindrazana (VHT), Razana­koto Norbert, ny amin’izay fifidianana tokony hatao mialoha izay. Tsy […]

Depiote Ratsimbazafy Alain : “Mampiahiahy ny fanendrena PDS tsy mpiasam-panjakana”

Nitondra ny heviny, manoloana ny fanapahan’ny HCC farany teo, ny avy amin’ny antoko Tim, tamin’ny alalan’ny depiote, Ratsimbazafy Alain. Manana tolokevitra hafa kosa anefa ny eo anivon’ny fitondram-panjakana. “Fanapahan’ny HCC ny hitohizan’ny fe-po­toam-piasan’ny ben’ny Tanàna. Idealy ary azo ekena izany”, hoy ny depiote Ratsimbazafy Alain. Aleo manapa-kevitra toy izany amin’ny […]