Hivory tsy ara-potoana ny eo anivon’ny parlemanta, araka ny fanapahan’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha. Hanomboka ny alatsinainy izao izany ary tsy hihoatra ny 12 andro. Anisan’ny lahadinika amin’izany ny hampahafantaran’ny governemanta eny anivon’ny Antenimiera roa tonta, ny programa fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). Hodinihina amin’izany koa ny […]
Politika
Faritra Vakinankaratra : nijery ny olana ifotony ny Antenimierandoholona
Amin’ny maha mpiahy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ny Antenimierandoholona, nisy ny fivoriana, atrikasa, natao tao Antsirabe, faritra Vakinankaratra, afakomaly. Anisan’ny nandray anjara tamin’izany ny filohan’ny Antenimierandoholona sy ny governoran’ny faritra. Niatrika izany ny olom-boatendry sy olom-boafidy eny ifotony, toy ny lehiben’ny distrika sy ny lehiben’ny fokontany mbamin’ny ben’ny Tanàna, Antsirabe I […]
Fanapahan’ny HCC : manohy ny asany ireo ben’ ny Tanàna
Namaly ny fangataham-panazavana nataon’ny Praiminisitra momba ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina ny eo anivon’ny HCC. Mijanona amin’ny toerany aloha izany ireo olom-boafidy eny ifotony. Nambaran’ny avy etsy Ambohidahy fa mitantana vonjimaika mandra-pahatongan’ny fifidianana eny ifotony aloha izany ireo ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina, lany fe-potoam-piasana ny 10 janoary […]
Tetiandro avy amin’ny Ceni: Tombanana ho amin’ny volana jona ny fifidianana
Nitondra fanazavana ny eo anivon’ny Ceni momba ny tetiandrom-pifidianana ho an’ ny ben’ny Tanàna sy ny depiote. Nambaran’ny mpampaka-teny, i Soava Andriamarotafika, fa tokony hiandry ny fikatonan’ny lisitry ny mpifidy, aorian’ny 15 mey vao hirosoana ny fifidianana amin’ity taona ity. “Io lisitra nasiam-panitsiana io no hampiasaina mba tsy ho very […]
Fiatrehana ny fifidianana: mitaky tokotany madio ny antoko MMM
Vonona saingy nametraka fepetra. Nambaran’ny birao politikan’ny MMM, Raharison Liva, fa manana adidy ary handray anjara amin’ny fifidianana izy ireo. Tahaka izany koa ny hafa mba haha antoko politika azy. Na izany aza, mbola manamafy ny MMM fa misy zavatra tokony hojerena mialoha. “Tontolo maloto ary tsy nadio ny tokotany […]




