“Hatramin’izao aloha, raha ny ara-panjakana: amin’ny alakamisy ny fifidianana filohan’ny Repoblika”, hoy ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), Rakotoarisoa Florent, tamin’ny mpanao gazety teny Ambohidahy, omaly. Malalaka ny fanehoan-kevitra, araka ny And. 10 amin’ny Lalàmpanorenana. Malalaka ny fanehoan-kevitra na avy amin’ny antoko politika, na avy amin’ny olon-tsotra…Misy, ohatra, […]
Politika
Adh hevitra – Fifidianana: niaro ny fandaharan’asany ireo kandidà
Tontosa soa aman-tsara teny amin’ny CCI Ivato ny adihevitra nifanaovan’ny kandidà ho filoham-pirenena telo mirahalahy. Nentina nanohanana ny fandaharan’asan’izy ireo izany. Nafana ny adihevitra nifanaovan’ny kandidà isany, i Andry Rajoelina sy Raderanirina Sendrison ary Randrianasoloniaiko Siteny teny amin’ny CCI Ivato, halina. Niaro hatramin’ny farany ny vinany sy ny fomba fijeriny […]
ANTOKO TGV: nesorina i Razanamahasoa Christine
Nilatsaka ny fanapahan’ny birao nasionalin’ny TGV, ny faran’ny herinandro teo. “Alana tsy ho mpikambana amin’ny antoko intsony Razanamahasoa Christine ary tsy afaka miteny amin’ny anaran’ny TGV koa”, hoy ny fanambarana. Anton’izany ny fanambarana narahina fanapahan-kevitra sy fihetsika tsy nifampierany tamin’ny antoko. Tsy mifanaraka amin’ny foto-kevitra ijoroan’ny TGV izany, araka ny […]
Kandidà Andry Rajoelina: Tian’ny mponin’Antananarivo
Mihamafy ny fitiavan’ny vahoakan’Antananarivo ny kandidà Andry Rajoelina. Hipoka ny kianjan’Antsonjombe, omaly. Tazana teny an-toerana ny mpanara-maso avy amin’ny Sadc. Tontosa omaly, teny amin’ny Coliseum Antsonjombe, ny faradoboky ny fampielezan-kevitry ny kandidà laharana fahatelo, Andry Rajoelina ho an’Antananarivo. Nifanitsa-kitro ny vahoaka nanotrona azy. Niampy ireo olom-boafidy maro sy ny mpiara-miasa […]
Solombavambahoaka IRD : «Fifidianana irery ihany no lalan-tokana»
Nisy ny fanambarana nataon’ny solombavambahoaka maro anisa eo anivon’ny Antenimierampirenena, omaly, mahakasika ny fanambarana nataon-dRazanamahasoa Christine, filohan’ny Antenimierampirenena. Ankoatra izay, noresahina tanatin’izany fanambarana izany ihany koa ny tsy faneken’izy ireo ny fanatsaharana ny zotram-pifidianana. Nomelohin’ireto solombavambahoaka ireto Razanamahasoa Christine, filohan’ity Andrimpanjakana ity. Antony nanamelohan’izy ireo azy ny fitondrany ny anarana […]




