Namaly ny resabe. Nitondra fanazavana momba ny fitantanana eo anivon’ny Antenimierampirenena, ny kestora I, ny depiote Jean Michel Henri. “Hatramin’ny 2019 ka hatramin’izao, eo an-tanany avokoa ny taratasy fanamarinan’ ny vaomieran’ny fitantanam-bola. Madio sy mangarahara ny fitantanana ato amin’ny Antenimierampirenena”, hoy ny kestora voalohany eny anivon’ny Antenimierampirenena, ny depiote Jean-Michel […]
Politika
Fampandrosoana : hisitraka fampitaovana nomerika ny eny ifotony
Natao ny talata teo ny atrikasa ho amin’ny fampitaovana ny eny anivon’ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana (CTD), mifandraika amin’ny “Digitalisation”. Nivoitra ny hijeren’ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana (Mid) ireo fitaovana mifandraika sy ho azon’ny eny ifotony ampiasaina. Eo ny fampisana ny nomerika ho amin’ny fitantanana ny asam-panjakana sy ny ara-bola. Ny […]
Fangatahan-kevitry ny HCDDED: tsy mbola afa-milaza inona ny HCC
“Ny azo tenenina aminareo dia izao: androany, amin’ny maha filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ahy, tsy afa-kilaza na inona na inona”, hoy ny valin-tenin’ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent, teny Tsimbazaza, omaly, momba ny fangatahan-kevitra nataon’ny HCDDED ny amin’ny fitsipaham-pitokisana nataon’ny Antenimierampirenena ny governemanta sy ny amin’ny fitsabahana andraikitra nataon’ny […]
Filohan’ny Antenimierampirenena : “Aoka hatsahatra ny fifampihantsiana…”
Nifarana, omaly, ny fivoriana ara-potonan’ny Antenimierampirenena. Nivoitra tamin’ny lahatenin’ny filohan’ity Andrimpanjakana ity ny antso avo, ho an’ny rehetra. «Mbola hamafisiko eto fa ny isavorovoroan-kilantoana. Ary izay tsy miady, olom-bodo; fa ny to fo, mpamosavy. Misy akana lesona ny zava-nitranga teto izay. Koa samia maka onon-draha na mandinika. Ny firaisankinan’ny solombavambahoaka […]
Hiffim : «Ilaina alohan’ny fifidianana ny fanorenana ifotony»
“Heverinay fa ilaina alohan’ny fifidianana ny fanorenana ifotony, ilaina mandritra ny fifidianana, ary mbola ilaina rehefa vita ny fifidianana. Satria fanarenana sy fanavotana ny firenena no tadiavina”, hoy ny Hetsika iombonana ho amin’ny fanarenana sy fanorenana ifotony (Hiffim), Andriamiseza Alain, momba ny fikaonandoha karakarain’izy ireo nandritra ny roa andro teny […]