Nampahafantarina, tamin’ny fomba ofisialy, tetsy Ampandrana, omaly, ny vovonana Malagasy miaro ny tanindrazana (Mamita). Miompana amin’ny foto-kevitra maromaro ny anto-pijoroany. Tafatsangana ny Vovonana Mamita! Anisan’ny foto-kevitra lehibe ijoroany ny famerenana ny firenena ho tany tan-dalàna sy ny ady atao amin’ny fahantrana. “Hitondra vahaolana maharitra manoloana izany isika fa tena efa […]
Politika
Foloalindahy Malagasy : vonona hiaro sy hanampy hatrany ny vahoaka
Nametraka paikady ara-teknika maro ireo rantsamangaikan’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena mipariaka any amin’ny faritra ho fanamafisana ny ezaky ny Foloalindahy amin’ny fitandroana ny fandriampahalemana.Tanjona amin’izany ny tsy maintsy hiakaran’ny tahan’ny filaminana manerana ny Nosy ka hamongorana ireo asa ratsy rehetra mba hitondrana fampandrosoana ho an’i Madagasikara. Araka izany, nanamarika tamin’ny fomba manokana […]
Fitantanana firenena: tsy hiditra anaty governemanta ny RMDM
Nahitsy ireo mpanohitra mivondrona eo anivon’ny RMDM fa tsy mihevitra ny handadilady na mivantana na an-kolaka hiditra anaty governemanta na izao fitondrana izao mihitsy. “Tsy hiditra ao anatin’io izahay”, hoy izy ireo, tetsy Ampandrana, omaly, araka ny nitateran’ny filoha lefitra, ny pasitera Tsarahame Edouard azy. Nanteriny fa tsy misy idiran’ny […]
Fidirana anaty governemanta: hentitra ny filoha, maro ny teknisianina
Horaisin’ny filohan’ny Repoblika, anio, ny lisitra avy amin’ny praiminisitra, misy ireo hiara-hiasa aminy. Maro anisa ny tanora teknisianina, te hiditra anatin’ny rafitra. Hentitra ny sivana. Anisan’ny nanolotra anarana ireo antoko lehibe mpanohana ny fitondrana izay lasa mifanipaka an-toerana sy mifampisompatra. Misy ny antoko politika eo anelanelany, izay sady tsy mpanohana […]
Administratera sivily, Raholinarivo Paolo: “Tokony hitovy ny rehetra eo anatrehan’ny lalàna”
Nanao fanambarana, tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera ny administratera sivily, Raholinarivo Paolo, omaly. Tsy nitsitsy ny fanehoan-keviny. “Mendrika fitsarana mitovy ny vahoaka ary tokony hitovy ny rehetra eo anatrehan’ny lalàna”, hoy izy. Nohitsiny fa tsy tokony ho ny baiko midina avy atsy na avy aroa no hahavoasazy. Ny fandikan-dalàna no tokony hahavoasazy […]




