Tsy re tsaika fa misoko mangina ny fanaterana antontan-taratasin’ireo kandidà ho minisitra ho ao anatin’ny governemanta vaovao. Samy efa an-jatony avokoa ireo dosie voaray eny Mahazoarivo sy eny Iavoloha. Milahatra eny koa ireo minisitra teo aloha. Mbola mitohy ny fandraisana izany ka efa maherin’ny 150 ny voaray eo anivon’ny fiadidiana […]
Politika
Lalatiana Rakotondrazafy : “Aoka izay ny gaboraraka…”
Namoaka fanambarana ny minisitra teo aloha sady mpanorina ny antoko Freedom, i Lalatiana Rakotondrazafy. Nankasitrahany ny filohan’ny Repoblika tamin’ny nanendrena indray ny Praiminisitra Christian Ntsay. Nambarany fa efa niara-niasa tamin’ny lehiben’ny governemanta ny tenany ary mahalala fa voafehiny ny fitantanan-draharaham-panjakana. Nanteriny fa miandrandra zavatra lehibe ny vahoaka ary mila ovaina […]
IFI: “Natao hanompo vahoaka ny minisitra”
“Ny atao hoe minisitra amin’ny teny latinina dia mpanompo. Manompo izany fa tsy hoe tompoina. Mpanompo hanasoa ny vahoaka, mpanompo hiara-miasa amin’ny filoha, mpanompo tena vonona handray anjara…”. Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny Isika fikambanana miara-dia amin’i Andry Rajoelina (IFI), ny pasitera Razafindramanitra Nestor, momba ny fandrafetana governemanta. Mahalala […]
KMF/Cnoe: “Tsy mazava ny Lalàmpanorenana nanendrena PM”
Naneho ny heviny manoloana ny fomba fanendrena ny praiminisitra lehiben’ny governemanta ny eo anivon’ny KMF/Cnoe. Nohitsin’izy ireo fa misy manjavozavo ny lalàna momba izany. Tsy mitovy ny fomba fandraisana. “Samy manana ny fahazoany ny And. 54 amin’ny Lalàmpanorenana: ny filohan’ny Repoblika no manendry ny praiminisitra araka ny tolotry ny antoko […]
FANENDRENA MINISITRA : “Tokony hahafehy ny teknika sy politika ny ho minisitra”
Voatendry ny Praiminisitra Ntsay Christian. Ahoana ny fandrafetana ny governemanta vaovao? “Tsy maintsy mahafehy ny lafiny teknika izany, fa olona tsy maintsy mahafehy ihany koa ny lafiny politika”, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote IRD, Rakotondrasoa Fetra. Mazava ho azy fa afa-miara-miasa amin’ny filohan’ny Repobika; faharoa, afa-kametraka malaky an’ireo fampanantenana noresahiny […]




