Mandray anjara goavana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy hanasoavana ny olona ny tanjon’ireo mpanodina akora azo avy amin’ny tavoahangy plastika. «400 taona vao levona tanteraka ny karazana plastika PET, ezaka ataon’izy ireo ny manome fiainana faharoa sy vaovao indray ireny karazana plastika ireny», hoy ny tomponandraikitra iray. Antony namoronan’ny […]
Politika
Fifidianana : resy lahatra amin-dRajoelina ny Fimpiva sy ny ADGA
Manao ranolava ny fanohanana ny kandidà laharana fahatelo, Rajoelina Andry, amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Anisan’ny resy lahatra amin’izany ny mpivarotra sy ny mpanamboatra telefaonina. Niantso ireo mpivarotra namany hampiasa ny fahefana amin’ny fandehanana mifidy ny Fikambanan’ny mpivarotra eny Ambohimanarina (Fimpiva). Nambaran’ny filohany, Razafimbelo Tiana Olivier, fa efa hita ireo fotodrafitrasa maro […]
Hetsiky ny Kandidà 10 : tsy tonga teny an-toerana Ravalomanana Marc
Nanatanteraka diabe nanomboka teny Ampasapito hatreny Ambomahitsy, ny kandidà 10, omaly. Tsy tazana teny an-toerana ny kandidà Ravalomanana Marc, tamin’io fotoana io. Raha ny vaovao voaray ao anatin’ny fanomanana ny hidirana amin’ny kianjan’ny 13 mai izy ireo sy ny kandidà sasany. Ny kandidà Ratsiraka Roland, Rajaonarimampianina Hery, Andrianainarivelo Hajo, Razafinjoelina […]
Kandidà Rajoelina Andry: “Ny hafa vao mampanantena fa isika efa nahavita”
Nihaona tamin’ny vahoakan’i Vangaindrano sy Farafangana ary Manakara ny kandidà laharana fahatelo, omaly. Notanisainy tamin’izany ny zava-bita any amin’ireo distrika ireo. “Ny sasany mbola hampanantena fa isika efa mitanisa hoe: izao no efa natao sy mbola hatao ary ny tsy maintsy hatao”, hoy ny kandidà, laharana fahatelo, Rajoelina Andry. Notsiahiviny […]
Hetsiky ny Kandidà 10 : hamaky ny kianjan’ny 13 mai indray
Notanterahina teny amin’ny Coliseum Antsonjombe, ny sabotsy lasa teo, ny «Concert Fotsy», izay nokarakarain’ireo kandidà 10. Tapaka tamin’io fotoana io, fa hamaky ny kianjan’ny 13 mai Analakely indray izy ireo, manomboka amin’ity herinandro ity. Tsy manaiky ny firotsahan’ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, no tena anton’izany. “Hampiakatra ny maripanan’ny tolona […]




