Nambaran’ny mpitondra tenin’ny Sendikan’ny mpiasa eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (SMKAR), Raharijaona Jean François, fa anisan’ireo voaantso hitokona hampikatso ny asa izy ireo. Mpikambana feno eo anivon’ny Valaben’ny sendikà SSM izy ireo. Notsindriny anefa fa anatin’ny “Collectivité territoraile décentralisée – CTD” ka manana ny sata manokana mifehy azy noho izy […]
Politika
Ravalitera Jacques Michaël : “Tsy maintsy hisy ny fifidianana”
Ho an’izay mbola misalasala? “Tsy maintsy hisy ny fifidianana, ary ara-demokratika no hanatanterahana an’izany”, hoy ny mpanolotsaina eo anivon’ny birao maharitry ny Ceni sady mpiahy ny faritan’i Toamasina amin’ny fanatanterahana fifidianana, Ravalitera Jacques Michaël, tany Toamasina, afakomaly, ny amin’ ny fanofanana ireo rantsamangaikan’ny Ceni amin’ny fitantanana ny birao fandatsaham-bato. Efa […]
Kandidà Andry Rajoelina : “Hampiakarintsika ny fari-piainan’ny vahoaka”
Nitohy teny Atsimondrano ny fampielezan-kevitry ny kandidà Andry Rajoelina, omaly. Nambarany tamin’izany ny fampanantenana ho amin’ny fe-potoam-piasana manaraka. “Tsy hisy intsony ny ho hadino. Hampiakarina ny fari-piainan’ny vahoaka ary hampitomboina ny fidiram-bola. Hojerena akaiky ny tsy an’asa sy ireo marefo ary ho tonga isan-tokantrano ny fanampiana”, hoy izy teny Itaosy. […]
Razanatoandro Solofo : «Ny fifidianana ihany no vahaolana»
Toy izao ny vontoatin-dresaka nifanaovana tamin-dRazanatoandro Solofo, filohan’ny Antoko AKFM. Gazety Taratra (*): Manahoana ny hevitry ny AKFM manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny? Razanatoandro Solofo (-): Tsiahiviko aloha fa efa tamin’ny 10 novambra 1958 no nivondrona ny antoko. Olona 10 tamin’izany fotoana no nanorina ny AKFM. Nanohitra ny fitondrana neokolonialy izahay […]
Hetsiky ny kandidà 11 : Rava tsy lera ny kabary sy ny famoriam-bahoaka
Noravan’ny mpitandro filaminana ny kabary sy ny famoriam-bahoaka nataon’ireo Kandidà 11, omaly, teny Ampitatafika. Toy ny mahazatra ihany ny fihetsik’ireo kandidà, nandositra nandeha namonjy ny toerana any Imeritsiatosika izy ireo ka navelany teo ny mpanara-dia azy. Ireo olona manaraka azy ireo kosa, nody namonjy ny tokantranony avy. Marihina fa tsy miova ny tanjona kasain’izy […]




