Tsy diso anjara tahaka ny isan-taona. Niara-nanamarika ny fetin’ny Noely teny amin’ireo ankizy tezain’ny Mompera Pedro, eny amin’ny toby Akamasoa ny filoha Rajoelina dimy mianaka. Nambaran’ny filohan’ny Repoblika fa hafaliana ho azy mianakavy ny fiaraha-mankalaza ny Noely eny an-toerana isan-taona. “Am-pitiavana anaty fihetseham-po no iarahana aminareo zanaky ny Akamasoa“, […]
Politika
Hafatra Noely avy amin’ny eveka: “Aoka tsy ho zarina omena fotsiny ny mahantra…”
Nampita hafatra ny eo anivon’ny Fivondronamben’ny eveka (Fem), amin’izao fahatongavan’ny Noely sy ny taona vaovao izao. Nambaran’izy ireo fa manomboka amin’ireo mijaly sy mahantra ny tena fampandrosoana. “Tsy omena na ampiana fotsiny ireo mahantra fa ampandraisana anjara amin’ny fampandrosoana ny fiaraha-monina izy ireo“, hoy ny filohan’ny Fem, ny Mgr Raharilamboniaina […]
Fiara natao lavanty tao Toamasina : nampidi-bola 281 tapitrisa Ar mahery ny Arai
Nahatafiditra vola 281 850 000 Ar tao anatin’ny ora telo ny eo anivon’ny sampandraharaha misahana ny fanagiazana ny fanana azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna (Arai), tao Toamasina. Notanterahina omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna ny nanaovana lavanty ho an’ireo sahy lafo indrindra ireo fiara miisa 17. Miisa 3 avy ireo fiara […]
Ceni : «Miankina amin’ny tetiandro ny lisi-pifidianana hampiasaina»
Nitondra fanazavana momba ny fanavaozana ny lisi-pifidianana ny eo anivon’ny Ceni. Nambaran’izy ireo fa hirosoana sy tanterahina hatrany izany. “Na misy fifidianana na tsia, tsy maintsy ataon’ny Ceni izay fanavaozana isan-taona izay. Miankina amin’ny tetiandro hanatanterahana azy ny fifidianana ho avy manaraka eo”. Io ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, […]
Fifidianana depiote sy ben’ny Tanàna : nanofanina ireo vehivavy te ho kandidà
Nanofana ireo vehivavy liana ka te ho kandidà amin’ny fifidianana ho avy ny eo anivon’ny Filankevitra nasionaly ho an’ny vehivavy (CNFM), omaly. Nambaran’ny filohany, Andriamasy Estelle, tamin’izany fa nampahafantarina ireo mpiofana ny lalàm-pifidianana. Eo koa ny andraikitr’izany ben’ny Tanàna na mpanolotsaina kaominaly izany. Ny fanamafisana ny fahaiza-mitarika ary ny tokony […]




