Politika

Minisitra Rivotiana : «Samihafa ny fitakiana sendikaly sy politika»

“Tsy tokony hafangaro ny fitakiana sendikaly sy ny fitakiana politika”, hoy ny fanazavan’ny minisitry ny Asa, Rivotiana Jean Bosco, manoloana ny fitakian’ny sendikà ny hamahana ny olana politika. Ny fitakiana sendikaly dia natao ho an’ny tombontsoan’ny mpiasa sy ny momba ny asa. Toy izany, ohatra, ny amin’ny karaman’ny mpiasa, ny […]

Fitoriana eny anivon’ny zandary : mitaky ny fampiharana ny lalàna mitovy i Hajo A.

Nanatona teny amin’ny “Brigade territoriale de la ville Antananarivo”, eny Betongolo ny kandidà laharana faharoa, Andrianainarivelo Hajo, sy ny mpisolovava azy, omaly. Nangataka ny tohin’ny fanadihadiana momba ny fitoriany tamin’ny fanimbana ny fananana teny Andavamamba sy Isotry, nandritra ny hetsiky ny kandidà, ny tenany tamin’izany. Nanteriny fa efa napetraka andro […]

FIMA sy MVBA : mitombo hatrany ny mpanohana ny kandidà laharana fahatelo

Manao tohivakana ireo fikambanana mirotsaka manohana ny kandidà laharana fahatelo. Araka ny nambaran’izy ireo, maro ireo vokatsoa azony nandritra ny fitondran’ity kandidà ity ary irarina ny mbola hitohizan’izany. Amin’izao vanim-potoan’ny fifidianana izao. Maro ireo fikambanana no resy lahatra ka mirotsaka manohana ny kandidà laharana fahatelo. Ankoatra ireo efa mivondrona manohana […]

Kandidà Andry Rajoelina : “Veloma hatreo ny tsy fananana asa…”

Nihazo ny any Atsinanana indray ny kandidà Rajoelina Andry, omaly. Anisan’izany ny tao Moramanga sy Brickaville. Nambarany fa hametrahana faritra indostrialy lehibe any an-toerana, ahitana orinasa afakaba , ho voavatsy herinaratra. “Ho veloma hatreo ny tsy fananana asa ho an’ny tanora. Hiasa mafy isika ahazoan’izy ireo asa. Efa miainga isika […]

Fanapahan’ny HCC : filoham-panjakana vonjimaika Ravalomanana Richard

Navoakan’ny eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), omaly, ny fanapahana amin’ny maha filoham-panjakana vonjimaika ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard. Nilatsaka ny fanapahana avy etsy Ambohidahy momba ny fitantanana ny firenena ka nametrahana ny filohan’ny Antenimierando­ho­lona, ny Jly Ravalomanana Richard, ho filoham-panjakana mpisolo toerana. Hisahana izany andraikitra […]