Politika

Depiote Andriamampandry Todisoa: “Tsy mitsinjo ny sosialim-bahoaka ny tetibola”

“Tsy manaraka ny laharam-pahamehana amin’ny vahoaka ny tetibolam-panjakana, 2023, ary tsy nanaraka lalàna”, hoy ny depiote Tim, Andriamampandry Todisoa, teny Tsimbazaza, afakomaly. Talohan’ny 30 oktobra teo no tokony ho nizarana izany ho an’ny depiote. Vao dimy andro ny nanomezana izany. Tsy araka ny lalàna izany. Tsy voafehy ny vidim-piainana. Hita […]

Raharaha Ketakandriana- GEL: mitsipaka ny kolikoly ny sehatra iraisam-pirenena

Tohivakana ny fanehoana firaisankina. Namoaka fanambarana avokoa ny avy eto an-toerana sy ny iraisam-pirenena. Anton’izany ny tokony ho niakaran-dRafitison Ketakan­driana teny amin’ny fampanoavana, omaly. Anisan’ny nanao izany ny masoivohon’i Etazonia naneho ny fanohanany ny vahoaka sy ny governemanta ary ny fiarahamonim-pirenena, indrindra eo amin’ny ady amin’ny kolikoly. “Toherinay marindrano kosa […]

Ntsay Christian: “Aoka tsy hizarazara ianareo mpitandro filaminana”

Nosokafana, omaly tao Antsirabe, Vakinankaratra, ny hetsika iraisam-pirenena ho an’ny faritra, andiany fahefatra. Nanokatra izany ny Praiminisitra, Ntsay Christian. Nisy hafatra sy antso nataony tamin’ny famoriana ireo eo anivon’ny OMC. «Ilaina ny fampandehanana ny raharaham-panjakana araka ny tokony ho izy sy ny fanatsarana ny lafiny fandriam-pahalemana… Aoka ny mpitandro ny […]

Fidinana ifotony: hitokana fotodrafitrasa any Fitovinany ny filoha

Hidina ifotony any amin’ny distrikan’i Manakara, faritra Fitovinany ny filoham-pirenena Rajoelina Andry, manomboka rahampitso. Anisan’ny anton-diany any an-toerana ny fitokanana fotodrafitrasa maromaro, hitondra fampandrosoana ho an’ny faritra Fitovinany. Eo koa ny fanombohana ny asa sasany. “Mitohy hatrany ny asa fanatanterahana ireo velirano nataon’ny filoham-pirenena ary misitraka izany avokoa ireo faritra […]

Fivorian’ny eveka : hofaritana ireo laharam-pahamehana    

                “Miavaka ny fivoriana satria taorian’ny fitsidihana natao tamin’ny papa ray masina dia izao fivoriana izao no amaritan’izy ireo ny laharam-pahamehana pastoraly eo amin’ny fitantanana ny eglizy sy ny vahoakan’Andriamanitra, araka ny toromarika sy ny fifanakalozan-kevitra natao tany Roma”, hoy ny sekretera mpandrindra eo anivon’ny Fivondronamben’ny eveka (Fem), ny pretra […]