Politika

Masy Goulamaly, Ratsiraka Annick, R. Sylvia: “Takinay ny fikaonandohan’ny samy Malagasy…”

Mirona amin’ny ”Ady gasy”. Miray feo Ranaivo­jaona Sylvia (Malagasy La­vorary Perfect), i Masy Gou­lamaly (Avotantsika miaraka i Madagasikara), Ratsiraka Annick, sekretera nasionalin’ny antoko Arema, samy nikasa ny ho kandidà : “Tanjonay ny hisian’ny fifampihainoana ary ivoahana amin’izao krizy izao”, hoy izy ireo. Niantso ny sehatra sa­mihafa izy ireo mba handray anjara amin’ny fikaonandoham-pirenena eo amin’ny samy Mala­gasy. Melohin’izy telo mirarahavavy ny fampiasana herisetra. “Aoka […]

Andriamarotafika Soava : “Azo torohana ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny fampielezan-kevitra”

Ao anatin’ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika izao. Hanao ahoana? “Azo torohana ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny fampielezan-kevitra”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava. Fanazavana… “Afa-manao fitorohana ny olom-pirenena, rehefa hitany hoe misy zavatra tsy ara-dalàna mandritra ny fampielezan-kevitra. Miaraka amin’ny porofo mazava izany”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, momba […]

Kandidà Andry Rajoelina : « Tsy maintsy mandresy isika !  »

Tsy miandriandry, nanokatra ny fampielezan-keviny avy hatrany ny kandià laharana fahatelo, Andry Rajoelina. Nam­barany fa tsy misy hahasaka ny fifidianana ary tsy maintsy ho mpandresy izy. “Tsy mbola nisy naharesy ahy tamin’ny fifidianana izany”, hoy izy. Natombony, niaraka tamin’ny mpanaradia azy tamin’ny alalan’ny fotoam-bavaka teny amin’ny Ten­drom­bohitr’i Mahatazana Aka­masoa ny […]

Governemanta ifarimbonana : «Manakorontana ny filohan’ny Sénat !»

Nahoraka ny ampamoaka nataon’ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana, omaly. Mitsipaka izay nambarany ny governemanta ka miampanga azy ho mpanakorontana. Nanaitra ny fisehoan’ny filohan’ny Antenimeran­doholona, Razafimahe­fa Herimanana tamin’ny fahitalavitra vahiny, omaly alina. Nilazany fa noterana ny tsy handray fahefana izy ka haleha ho ambasadaoro any ivelany. Noho ny tahotra sia nanaiky […]

Fanelanelana iraisam-pirenena : mitaky fitoniana ny eo anivon’ny Sadc

Nandray ireo Vondron’ny kandidà 11 tetsy Ankorondra­no, omaly, ny masoivohon’i Afrika Atsimo, Sisa Ngomba­ne, sady solontenan’ny Sadc eto amintsika. Niantso fitoniana ny tenany tamin’izao fihaonana izao, manoloana ny hetsika eto an-drenivohitra efa ho herinandro izao. Nambarany koa fa ho avy eto mialoha ny fifidianana ny eo anivon’ny Sadc ka hametraka […]