Politika

Kandidà Andry Rajoelina: niantso ny Foloalindahy hiaro ny fiandrianam-pirenena

Nanao fanambarana manoloana ny toe-draharaham-pirenena ny kandidà, Andry Rajoelina, omaly. Nambarany fa tsy azo ekena ny krizy politika ka tsy maintsy mijoro ny tenany sy ireo mpomba azy. “Tsy ekena hiverina sy hovolena eto amin’ny firenena ny krizy”, hoy ny filohan’ny Repoblika teo aloha, Andry Rajoelina, halina, nandritra ny fanambarana […]

Ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina : “Aoka tsy hatao sorona Antananarivo…”

Niantso ny mponin’Antananarivo ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina, omaly, tamin’ny alalan’ny fanambarana, mba ho sarotiny sy ho saro-piaro amin’ny renivohitr’i Mada­gasikara. Nolazainy fa misy mikasa hanao an’Antana­narivo ho kianjan’ny korontana sy ny tetika ara-politika indray. “Miantso antsika, fa indrindra ny vahoaka, mba tsy hanaiky izay rehetra mety ho fitarihana amin’ny […]

mpikambana amin’ny Biraom-pifidianana: tsy maintsy feno alohan’ny folo oktobra

“Raha tratra aoriana in­drindra, tsy maintsy tafapetraka 30 andro mialoha ny datim-pifidianana ny mpikamban’ny biraom-pifidianana. Raha amin’ ny 9 novambra ny fifidianana, ny 10 oktobra no 30 andro mialoha an’izay”. Io ny fanazavan’ny filoha lefitra voalohan’ ny Ceni, Andriama­lazaray An­doniaina, momba ny mpikamban’ny birao fandatsaham-bato. Olona dimy no mpikamban’ny birao […]

Antenimierandoholona : tsy misy disadisa eo amin’ny filoha sy ny mpikambana

Nitondra fanazavana momba ny raharaha anatiny eo anivon’ny Antenimierandoholona ny loholona, Ramanambintana Richard. Nambarany fa mifankahazo avokoa izy ireo etsy Anosikely. “Mahafinaritra ny fi­fampiresahana sy ny fifampihainoana, na ny fifanajana fotsiny aza”, hoy ny loholona Ramanam­bitana Richard, teny Ivandry, omaly, momba ny fifandrai­san’ny filohan’ny Anteninmie­randoholona, Razafimahefa Herimanana, sy ny mpikambana […]

VONDRON’ny KANDIDA : nandrangaranga ho eny amin’ny 13 mai

Tsy tanteraka ny hetsika nokasain’ny vondron’ireo kandidà hatao tetsy amin’ny Lapan’ ny Fanatanjahantena Mahama­sina, omaly tamin’ny 2 ora. Nandrangaranga ny ho eny amin’ny kianjan’ny 13 mai izy ireo ny alatsinainy izao, raha tsy tanteraka ny fitakiany. Anisan’ny takin’ireo kandidà ny hifampiresahana ahafahana miroso amin’ny fifidianana madio. Eo koa ny tsy […]