Politika

Kandidà Andrianainarivelo Hajo : “Tokony hanara-dalàna ireo prefet sy sefo distrika”

Nampitandrina ireo ma­nampahefana eny ifotony ny kandidà Andrianainarivelo Hajo. “Tokony hanara-dalàna ny prefet sy ny sefo distrika eo am-panatanterahana ny asa­ny fa tsy hanao tsindry sy ramatahora”, hoy izy tany Fandriana. Nitarika fivoriana narahina adihevitra niarahan’ny MMM sy ireo vahoaka ny tenany tamin’izany. Tsy nahasakana ny kandidà ho filoham-pirenena Andrianaina­rivelo […]

Praiminisitra Ntsay Christian : “Andraikitry ny rehetra ny fanadiovana”

“Manao antso avo ho an’ny Malagasy rehetra sy ho an’ny tomponandraikitra rehetra aho mba handray ihany koa ny andraikitra tandrify azy avy. Satria adidy ny fanadiovana ny tanàna”, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian, tamin’ny fitarihana sy fifanomezan-tanana ny mponina teny amin’ny fokontany Fiadanana, omaly. Tsy adidin’ny kaominina na ny minisitera […]

Fifidianana filoham-pirenena: tsipahin’ny mpanohitra ny haha kandidà ny filoha Rajoelina

Nikasa hanao fihaonambe teny amin’ny Espace Yandy By Pass ny fivondronamben’ny mpanohitra rehetra, omaly. Tsy tanteraka anefa izany saingy nanao fanambarana ihany izy ireo. Nosakanana sy nohidin’ny Emmo/Reg ny vavahadin’ity toerana ity ka nanao fanambarana teo ivelany ireto avy amin’ny fanoherana ireto. Nahitsy ny nambaran’izy ireo amin’ny tsy fanekena ny […]

Ravalomanana Marc : nisantatra ny fanaterana dosie teny amin’ny HCC

Kandidà voalohany, nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina tetsy amin’ny HCC, ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc. “Ta­fapetraka izany ka ampitao amin’ny vahoaka fa ho avy Dada”, hoy izy, omaly, tetsy Ambohidahy. Nambarany fa nisy fahatarana ny dingana fanomanana sy ny fakana ny antontan-taratasy teny anivon’ny biraom-panjakana. Efa mazava anefa ny toromarika […]

Fanomanana ny fifidianana : manameloka ny sakantsakana ny KMF/Cnoe

Nanao antso avo ny eo anivon’ny KMF/Cnoe amin’izao hirosoana amin’ny fifidianana izao. Tsipahin’izy ireo marindrano ny mety ho fanohintohinana ny firosoana amin’ny fifidianana. “Aoka hohamoraina ny fikarakaran’ireo kandidà ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina ary tsy tokony hiandany ny mpitantan-draharaham-panjakana”, hoy ny filohany, Na­mearson Robert, tetsy Anta­nimena, omaly. Nohitsiny fa helohin’izy ireo tanteraka […]