Politika

Antenimiera roa tonta : nafana ny fanokafana ny fivoriana ara-potoana faharoa

Nosokafana tamin’ny fom­ba ofisialy, omaly, ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny An­tenimierampirenena, tetsy Tsimbazaza sy ny Antenimie­randoholona, tetsy Anosy. Nafana sy niavaka ny fanokafana izany, raha ny zava-nisy teny an-toerana. Nipetraka nitokana tamin’ny seza ha­vian’ny efitrano fivoriana avokoa ireo solombavambahoaka momba ny fitondrana, nanao akanjo volomboasary. Nito­kana tamin’ny an-kavanana kosa ireo depiote […]

Razanamahasoa Christine : « Atsaharo ny fifandranitana tsy hitondra fitoniana »

Hentitra ary nahitsy ny lahatenin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine, omaly teny Tsimbazaza. Niantso ny amin’ny tokony hifampiresahana ny tenany. “Ho an’ny andaniny sy ny ankilany, atsaharo ny fifandranitana izay tsy hitondra fitoniana. Aoka hiverina amin’ny filaminana”, hoy ny filohan’ny Ante­nimierampirenena, Razana­ma­ha­soa Christine, nanomboka ny fivoriana ara-potoana faharoa, teny Tsimbazaza, omaly. […]

Fampielezan-kevitra : manohana ny kandidà Rajoelina ny AMP, Silamo

Nanomboka ny fampielezan-kevitra tetsy 67 ha ny eo anivon’ny “Asso­ciation des musulmans pour le progres – AMP”, omaly. Nam­baran’izy ireo fa tafiditra amin’ny fanohanana ny kandidà laharana fahatelo, Andry Ra­joelina izao hetsika nataon’izy ireo nitety tanàna izao. “Mian­tso ny vahoaka tsy an-kanavaka izahay hifidy azy amin’ny 16 novambra izao”, hoy […]

Filohan’ny Ceni : “Vonona hatrany amin’ny fifidianana izahay”

Vonona hatrany ny Ceni, na hatao amin’ny 9 novambra na amin’ny 16 novambra ny fifidianana, araka ny nambaran’ny filohany, Andrianarisedo Da­ma Arsène, teny Alarobia, omaly. Nohazavainy fa araka ny fanapahan’ny HCC, mihemotra amin’ny 16 novambra ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana. “Tsy manana fahefana hanemotra fifidianana ny Ceni, fa ny manolotra […]

Fianakaviambe iraisam-pirenena : “Zava-dehibe ny Lalàmpanorenana”

Namoaka fanambarana ny fianakaviambe iraisam-pirenena, omaly. Nohamafisin’ izy ireo ny maha zava-dehibe ny fanajana ny Lalàmpanorenana sy ny fifanatonan’ny ankolafy rehetra. Nambaran’izy ireo tamin’izany ny ahiahiny amin’ny fivoaran’ny tontolo politika ifandroritana eto amintsika. Nanterin’ireto avy amin’ny iraisam-pirenena ireto ny maha zava-dehibe ny fanajana ny Lalàmpanorenana sy ny fahalalahana maneho hevitra ary […]