Nodimandry, omaly, teo amin’ny faha-69 taonany, ny Praiministra teo aloha, Andrianarivo Gabrio Tantely. Efa nitana andraikitra ambony teto amin’ny firenena ny tenany fony fitondran’ny amiraly Ratsiraka Didier. Teo ny naha praiminisitra lehiben’ny governemanta azy, teo anelanelan’ny taona 1998 hatramin’ny 2002, nianjeran’ny fitondrana sosialista sy ny Arema. Nialoha izany ny naha […]
Politika
Fanambarana filatsahan-kofidina : Raobelina Andry, kandidà ho filoham-pirenena
Nanambara ny haha kandidà azy ho filoham-pirenena koa Raobelina Andry, miaraka amin’ny antoko Anjomara rivo-baovao (ARB). Mpilatsaka hofidina faha-15 izany izao izy. Nambarany tamin’izao filankevitra nasionalin’ izy ireo izao fa tsy afaka ny mbola hizaka 5 taona manaraka ao anatin’ny fifandroritana politika, miteraka fihemorana toy izao ny firenena. “Tsy maintsy […]
Otrikafo momba ny fifidianana : “Anisan’ny tomponandraikitra ny FFKM raha misy krizy”
“Milaza izahay fa anisan’ ny tomponandraikitra koa ny mpitondra fiangonana, raha mampirisika ny olompirenena handeha amin’ny fifidianana hita fa tsy hampilamina”, hoy ny filoha nasionalin’ny Otrikafo, Rabevahiny Elia, momba ny fampihaonan’ny FFKM. Nisy telo loha nambaran’ny filohan’ny FFKM, teny Mandriamena: mpaminany ny fiangonana, mpandrava ary mpanangana. Teo no ho eo […]
Minisitra Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana : “Tsy mitombina ny fampiantsoan’ ny fitsarana ny filoha Rajoelina”
Tokony hifarana eo ! Nanamafy ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana fa tsy mitombina, araka ny efa nanambaran’ny tonia mpampanoa lalàna, ny fampiantsoan’ny fitsarana ny filohan’ny Repoblika. Nampahatsiahy ny lalàna mifehy ny zom-pirenena malagasy ny minisitry ny Fitsarana, omaly, teny Faravohitra, manoloana ny resabe sy ny vaovao diso niely. […]
Filoha Rajoelina Andry: Kandidà 8 manakana ny firotsahany hofidiana
Miakatra ny maripana amin’ny tontolo politika. Manao angaredona tsy ahafahan’ny filoha am-perinasa hirotsaka ny kandidà valo. “Tahotra sahady”, hoy ny mpanohana fitondrana. “Tsy afaka mirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena intsony ny filoha ankehitriny. Mazava ny voalazan’ny lalàna momba ny fizakana ny zom-pirenena malagasy”, hoy ny fanambarana nosoniavin’ny kandidà isany: Ravalomanana Marc, […]




