Politika

Fisorohana ny ady an-trano : vonona hanohy ny fitarihana ny fihaonamben’ny FFKM

Nifarana afakomaly ny fihaonambem-pirenena nokarakarain’ny FFKM, teny Mandriamena Andoharanofotsy. Namoaka fanambarana sy fehin-kevitra taorian’izany izy ireo. Mbola mikasa ny hitarika ny diniky ny mpanao politika mialoha ny fifidianana ireo ray aman-dreny eo anivon’ny fiangonana. “Mahatsapa ny FFKM fa ilaina ny mbola hisiana fifampihainoana sy fifampiresahana eo amintsika samy Malagasy, ahitana […]

Pasitera Mailhol : “Ara-dalàna ny Ceni sy ny HCC matoa mirotsa-kofidina ny mpanohitra”

“Ny antoko mpanohitra milaza hoe tsy ara-dalàna ny Ceni sy ny HCC. Nefa miro­tsa-kofidina ry zareo. Ny di­kan’izany, ara-dalàna ny Ceni sy ny HCC matoa manaiky hirotsa-kofidina ry zareo. Inona no hirotsahan-kofidina raha lazaina hoe tsy ara-dalàna ny Ceni sy ny HCC? Ekena ho ara-dalàna ireo, matoa mirotsa-kofidina ireo kandidà. […]

Seha-pihariana : 60 taona ny Agro Ankatso

Mankalaza ny faha-60 taona nijoroany ny sekoly ambony manofana momba ny fambolena sy ny fiompiana (Agro) eny amin’ny oniversite Ankatso. Misy ny hetsika atao mandritry ny 3 andro ary hifarana anio. Nanamarika izany ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa tamin’ny “Izaha-groupe”. Hametrahana ny “Agri-business academie” eny anivon’ny sekoly. “Fototra iorenan’ny fampandrosoana izany”, hoy […]

Fihaonambem-pirenena : miantso ny FFKM hitarika ny Ceni hanara-dalàna ny MMM

Nambaran’ny filoha nasioa­lin’ity antoko ity, Andrianainari­velo Hajo fa tokony hiverina anatin’ny fanarahan-dalàna sy ny fahamarinana amin’ny fanomanana ny fifidianana ireo Andrimpanjakana sy rafitra samihafa. “Be loatra ny tsy fanarahan-dalàna ary mbola mitohy hatramin’izao ka tokony hojerena izany ahazoana fifidianana madio sy mangaraharaha ary eken’ny rehetra”, hoy izy tamin’ny fihaonambem-pirenena, nokarakarain’ […]