Nametraka antontan-taratasy fanairana teny amin’ny fitsarana Anosy, afakomaly, ny antoko Malagasy miara-miainga. Notsiahivin’izy ireo tamin’izany ny didim-panjakana nivoaka tany Frantsa, manamafy fa nangataka zom-pirenena vahiny ny filoha Rajoelina. “Tsy tokony hisy intsony ny Certificat de nationalité, havoakan’ny fitsarana ho an’ny filoha noho ny tsy fizakany intsony ny zom-pirenena malagasy”, hoy […]
Politika
“Cellule de crise” – Seces: “Fifidianana kitoatoa io”
Namatrapatratra ny eo anivon’ny “Cellule de crise”, Seces Antananarivo, tamin’ny fanambaran’izy ireo, omaly. “Fifidianana antematemaka, kitoatoa, feno kajikajy ho fampandaniana ny kandidan’ny mpitondra sy fanilihana ny hafa ary manome vahana ny hosoka sy krizy maro samihafa mivantana na ankolaka no hatao”, hoy izy ireo. Natsikafon’ny Seces Tanà fa hampiasa lalàm-pifidianana […]
Annick Ratsiraka: “Roso ka tsy mipody ny firotsahan-kofidina”
“Hatramin’izay nahatany ny tany na tamin’ny zanak’i Adama sy i Eva, misy hatrany ny tsy fitovian-kevitra. Tsy hitovy hevitra izahay, fa samy manana ny fomba fijeriny sy ny fieritreretany izay tokony hatao”. Io ny valin-tenin’ny sekretera nasionalin’ny Arema sady kandidà ho filohan’ny Repoblika, Ratsiraka Annick, teny Mandriamena, afakomaly, momba ny […]
Andriamanana Nivoarivony :”Tsy fitaovana politika na mitady tombontsoa manokana ny firaisamonina sivily”
Nahabe resaka tato ho ato ny fisian’ny firaisamonina sivily nahazo famatsiana volabe avy amin’ny mpiara-miombon’antoka, nefa tsy hita mazava izay tena asa vita; misy aza manao politika. Manoloana izany, mijoro ny Fivondronana firaisamonina sivily maromaro miaro ny etika sy ny soatoavina. Fanazavana… “Araka ny didy hitsivolana 060-133, tamin’ny 3 oktobra […]
Mpiasan’ny Cnapmad : miantso ny tomponandriki-panjakana
Nitohy omaly, indray ny hetsika fitakian’ireo mpiasa tsy mpiasam-panjakana eny anivon’ny Cnapmad Ankorondrano. Tsy mbola nandray karama nandritra ny telo volana izy ireo ka anton’ny fitokonana. « Efa miditra ny mpianatra ka tsy misy tokotaniny ny fianaran-janakay, tsy mbola voaloha ny saram-pidiran’ny mpianatra, ny hofan-trano, ny sakafo hohanina sy ny maro […]




