Politika

LEHIBEn’ny fampanoavana : « Tsy nampiantso ny filohan’ ny Repoblika izahay »

Nivoaka tamin’ny fanginany ny lehiben’ny fampanoavana, eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany, Antanana­rivo. « Tsy nanao fampiantsoana ny filohan’ny Repoblika ma­lagasy izahay. Diso tanteraka ny filazana fa nisy taratasy na­naovana “assignation” nosoniavinay ka nalefa teny amin’ny fiadidiana ny Repoblika na tamin’ny filoha », hoy ny tonian’ny mpampanoa lalàna, Rakotoniaina Narindra. Ankoatra izay, nitondra […]

Fanahian’ny mpanao politika: nanome toky ny hisian’ny fifidianana ny praiminisitra

Nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian, tetsy Anosy, omaly fa hatao ny fifidianana ary efa navoaka ny tetiandro momba izany, miaraka amin’ny lalàna. “Efa miditra amin’izany isika izao. Manamafy izany fa miroso isika ary mandray ny andraikiny ny Ceni sy ny goveremanta ahatongavana amin’ny fifidianana madio”, hoy izy. Notateriny koa ny dinika […]

Indostria : vonona hanampy an’i Madagasikara ny SFI

Noraisin’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana, Razafindravahy Edgard, afakomaly, teny Ambohidahy i Amadou Labara, tomponandraikitry ny “Société financière internationale” (IFC) sy ny ekipany. Niarahaba ny minisitra tamin’ny zava-bitany sy ireo fanamby mbola hapetrany ity tomponandraikitra ity. Nilaza izy fa vonona hanome tolo-tanana ho amin’izany […]

Fizahantany: 110 000 nitsidika an’i Madagasikara nanomboka ny janoary 2023

Madiva hifarana ny fotoan’ny fialantsasatra lehibe, mahamaro ny vahiny mitsidika an’i Madagasikara. Araka ny antontanisan’ny minisiteran’ny Fizahantany, maherin’ny 110 000 ny vahiny tonga teto amintsika, nanomboka ny janoary 2023. Nitombo ny mpizahatany raha oharina ny tamin’ny taon-dasa. Naherin’ ny 25 000 ny mpizahatany nankaty Madagasikara nandritra ny volana jolay 2023 […]

Ramamimampionona Gérard : “Mila jerena izay mety handrehitr’afo eto amin’ny firenena”

“Mila jerena ny an-tsipirian-javatra mety handrehitra afo eto amin’ny firenena, ka hisorohana an’izany amin’ny lafiny rehetra: fotoana, endriny rehetra.” , hoy ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimam­pionona Gérard, manoloana ny fiatrehana fifidianana filohan’ny Repoblika amin’izao. Raha mandeha ny fifidianana, enimpolo taona izay: toy izao hatrany… Atao ny fifidianana filohan’ny Repoblika, midina amin’ny […]