Hivory sy haka fanapahan-kevitra, ny 8 sy ny 9 septambra izao, ny Vondron’ny tanora (VTM) manoloana ny fifidianana filoham-pirenena. Nambaran’ny filohany, Rakotomalaza Désiré fa hijery kandidà mitovy foto-kevitra amin’izy ireo ny fikambanana ka hanohana sy hampandany izany amin’izany fihaonambe izany. « Tsy te hiaina sy hamerina ny tranga miseho eto amin’ […]
Politika
Fifidianana filohan’ny Repoblika : mangataka fitia tsy mba hetra haha kandidà azy Razafiarison Laza
Atolotry ny Rassemblement des citoyens responsables (RCR) ho kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena Razafiarison Laza. Miankina amin’ny tolo-tanana avy amin’ny olom-pirenena anefa izany. Ho kandidà ho filohan’ny Repoblika indray ny kandidà tamin’ny fifidianana 2018, Razafiarison Laza? Manolotra azy ny Rassemblement des citoyens responsables (RCR) na Tambaben’ny olompirenena nampiraisin’ny Andraikitra (Tolona), raha […]
Fitavozavozan’ny fikarakarana dosie. : handraisan’ny HCC fepetra ireo sampandraharaham-panjakana
Hentitra ny fampitandreman’ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent, omaly, teny Ambohidahy, manoloana ny fitarainan’ireo kandidà. « Horaisina ny fepetra sy ny andraikitra amin’ireo sampandraharaham-panjakana mandray sy mikarakara ireo antontan-taratasin’ireo kandidà kanefa mitavozavoza », hoy izy. Anisan’ny notanisainy tamin’izany ny eo anivon’ny fandoavan-ketra (211 bis), ny tahirimbolam-panjakana amin’ny fandraisana ny anto-bolan’ireo kandidà (Tresor), ny […]
Fihaonambem-pirenena : hametraka paikady amin’ny fifidianana ny Andrimaso FFKM
Nanomboka omaly, ny andro voalohany amin’ny fihaonambem-pirenena karakarain’ny FFKM. Nohazavain’izy ireo ny anton’izany sy ny fandaharam-potoana. Nambaran’ny filohan’ny FJKM, ny mpitandrina, Andriamahazosoa Irako fa natao ny fihaonambem-pirenena mba hahafahana mametraka amin’ny toerany ny Andrimaso FFKM. « Handray anjara mavitrika amin’ny fifidianana anaty fahamarinana isika ka omena aina vao sy natsangana ny […]
Tale jeneralin’ny Bianco: “Tokony hoterem-panahy handa kolikoly ny tsirairay”
Nidina ifotony tany Sambava ny tale jeneralin’ny Bianco nampahatsiahy ny andraikitry ny tsirairay amin’ny ady amin’ny kolikoly. Fampahatsiahivana ireo andraikitry ny tsirairay amin’ny ady amin’ny kolikoly, fijerena ifotony ny fizotran’ny ady amin’ny kolikoly any anivon’ny faritra, fanentanana ny rehetra hiatrika ny ady amin’ny kolikoly… Ireo no vontoatin’ny fidinana ifotony nataon’ny tale jeneralin’ny […]




