Ho filamatra eo amin’ny firaisan-kina sy ny fifankatiavana ny distrikan’Isandra. Nisongadina izany tamin’ny hetsika nataon’izy ireo, ny herinandro teo, tao Isorana. Niaiky ireo mpitarika ny amin’ny fahapotehan’ny fihavanana sy ny firaisan-kina. “Azo averina manomboka amin’ny tsirairay ary miitatra hatrany amin’ny firenena izany”, hoy izy ireo. Anisan’izany ny fanabeazana sy ny […]
Politika
Akademia Miaramila : nivoaka ny andiany “amiraly Didier Ratsiraka”
Tontosa tao amin’ny Akademia Miaramila (Acmil) Antsirabe, omaly, ny lanonana ara-miaramila « Fandresena ». Famoahana amin’ny fomba ofisialy ireo mpianatra ho manamboninahitra avy amin’ny andiany mivantana faha-44 misalotra ny anarana “amiraly Didier Ratsiraka”. Teo ambany fiahian’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, sady filoha faratampon’ny Foloalindahy. Teo ambany fitarihan’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa. Miisa 58 mianadahy, ahitana vehivavy […]
Taranaky ny Amiraly Ratsiraka: samy mandeha, samy mitady!
Nihaona tamin’ireo mpikambana eo anivon’ny “Rassemblement des partisans Ratsirakisme (RPR)”, tany Antsirabe, Ratsiraka Sophie, ny faran’ny herinandro teo. Hizotra amin’ny lalana hafa izy ireo amin’ny fifidianana. Samy mandeha,samy mitady. Nambaran’izy ireo tamin’izany ny hanosehany sy ny fangatahany ny filatsahan-kofidin’ny filoha am-perinasa, Rajoelina Andry, ho kandidà filoham-pirenena. Mazava ny nambaran’ny filoham-boninahitra, Ratsiraka Sophie, […]
Antoko Marina : “Mbola tsara kokoa ny kolontsaina malagasy”
Manana fomba fitondrana tsara lavitra noho ny an’ny vahiny ny Malagasy, ary tena nahomby ny fampiharana izany fahiny, araka ny nambaran-dRanaivoson Désiré, filohan’ny antoko Marina na Manapa-kevitra iombonana ho an’ny fampandrosoana. Nijoro nanomboka ny taona 2015 ny antoko saingy somary nangina noho ny fandaminana anatiny sy ny zava-misy teto amin’ny firenena. Ainga […]
Filoha Andry Rajoelina tany Mandoto : “Ho taonan’ny fandresentsika ity 2023 ity”
Nanotrona ny famoahana ny andiany faha-44 eo anivon’ny Akademia Miaramila (Acmil), ao Antsirabe ny filoha Andry Rajoelina, omaly. Nitohy tany Mandoto ny fitsidihany niaraka tamin’ireo delegasiona notarihiny. “Tsy misy hahatohitra antsika na ny fahavalo na ny mpifaninana. Ho taonan’ny fifaninanana sy hahazoantsika fandresena ny 2023”, hoy izy, tao Mandoto, omaly, […]




