Politika

Vondrona Panorama : “Ilaina ny fanadiovana mialoha ny fifidianana”

“Handray anjara mavitrika amin’io fikaonandoha momba ny raharaham-pirenena karakarain’ny FFKM io izahay, ary manan-javatra hoentina amin’izany. Eo hatrany ny amin’ny fanadiovana tokotany izay tsy azo ialana, indrindra ny mialoha ny fifidianana”, hoy Rakotovazaha Olivier, avy amin’ny von­drona Panorama sady filoha nasionalin’ny antoko MFM, ny amin’ny mety hisian’ny fandaminana mialoha ny […]

Depiote Rasolonjatovo Honoré : “Ilaina ny fampihaonan’ny FFKM”

“Raha ny zava-misy eto amin’ny fiainam-pirenena, mila raiamandreny isika. Hatramin’ izao, rehefa misy zava-manahirana eto amin’ny firenena, indrindra korontana: ny FFKM hatrany no iantsampazana”, hoy ny filoha lefitry ny Ante­nimierampirenena, Faritany Antananarivo, ny depiote IRD voafidy tany Faratsiho, Raso­lonjatovo Honoré. Koa rariny sy hitsiny raha ny fomba fijeriny sy ny […]

Antoko Fiombonana: manameloka ny tandrevaka

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny antoko Fiom­bo­nana, ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny tranga niseho tetsy Mahamasina ny zoma hariva ka nahafatesana olona am-polony. “Miara-manaiky isika rehetra fa samy tomponandraikitra avokoa tamin’ny zava-nitranga ka noho izany, manameloka tanteraka ny tandrevaka sy ny tsy fandraisana andraikitra nahatonga ireny izahay”, hoy ny […]

Fanaterana dosie eny amin’ny HCC : tsy mbola nanatitra ny anto-bola i Annick Ratsiraka

Mbola miahiahy! Tafape­traka ny sabotsy teo ny an­ton­tan-taratasy filatsahan-kofidin’ ny kandidà Annick Ratsi­raka avy amin’ny Arema. Nisolo tena azy teny amin’ny HCC Ambo­hi­dahy ny Pr Ange Andriana­risoa. Nambaran’ izy ireo fa tsy nahitana olana ny fanangonana ny antotan-taratasy sy ny fanarahana ny pitsopitsony, takin’ny lalàna. Na izany aza, mbola an-dalam-pandinihana […]

Rajaonarimampianina Hery : kandidà filoham-pirenena faha-13 nanao fanambarana

Tapaka nandritra ny roa andro tetsy Andraharo ary nambara ofisialy fa kandidàn’ny HVM, amin’ny fifidianana ny filoham-pirenena, Rajaonarimampianina Hery. Miisa 13 izany izao ireo kandidà nanambara ny fahavononany hirotsaka. “Latsaka an-katerena ny firenena ka mila fanavotana amin’ny fomba matotra sy anaty fitoniana. Hovaliko ny antsoantsonareo ka nanapahako hevitra fa hilatsaka […]