Politika

Antenimierampirenena : niala amin’ny IRD ny depiote Idealson

Nandefa taratasy ho an’ny filohan’ny Vondrona parlemantera IRD, miara-dia amin’ny fitondrana ny solombavambahoaka voafidy tany Ampanihy Andrefana, Keron Idealson. Nam­ba­rany tamin’izany fa narosony izao fametraham-pialana amin’ ny maha mpikambana azy feno eo anivon’io vondrona io amin’ ny fizakany ny fahalalahana ananan’ny depiote. “Araka izany, miverina ho solombavambahoaka tsy miankina amin’ny […]

Minisitry ny Fitsarana : “Tena mahazo mirotsa-kofidina ny filoha Rajoelina”

Naneho ny heviny momba ny adihevitra ny amin’ny tsy fananan’ny filoha Rajoelina Andry zom-pirenena Malagasy ny minisitry ny Fitsarana. “Tena mahazo mirotsa-kofidina izy. Efa betsaka ny fanazavana sy fandraisam-pitenenana momba an’izay. Tsy mbola nisy ny didim-panjakana ma­nafoana ny fizakany zom-pirenena maha Malagasy azy.” Io indray no fanazavan’ny minisitry ny Fitsarana, […]

Mpanao politika : naneho fiaraha- miory

Nanao tohivakana ny fanambaran’ireo mpanao politika taorian’ny tranga niseho tetsy Mahamasina ka nahafatesana olona am-polony sy naharatrana an-jatony. Anisan’ny nanao izany ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc. Nirary fiononana ho an’ny fianakavian’ireo nodimandry ary nirary fahasitranana ho an’ireo naratra. Naneho alahelo amin’ny zava-nitranga koa ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, […]

Fidarohana mpianatra teny Ankatso : maro ny nanameloka ny mpitandro filaminana

Niraradraraka ny fanambarana sy fanamelohana ny fihetsiky ny mpitandro filaminana, nandrava ny hetsiky ny mpianatra, nanao fitakiana teny Ankatso, afakomaly. Na­nameloka tanteraka ny herisetra ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo. Nambarany fa tokony hahay hifehy tena ny mpitandro filaminana, na mafy aza ny tsindry mahazo azy noho ny baiko midina […]

TURQUIE : hizara traikefa amin’ ny Tafika Malagasy

Nandray ny masoivohon’i Torokia miasa sy monina eto Madagasikara, Ishak Ebrar Çubukçu, ny minisitry ny Fia­rovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa, afakomaly, teny Ampahibe. Nivoitra tamin’ity fihaonana ity fa efa nahazo tombony tamin’ny fampiofanana tany Torokia ny Tafika Malagasy. Nisongadina tamin’ny lahadiniky ny roa tonta nandritra ny fihaonana rahateo ny […]