Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11, tanterahina eto amintsika ny filoha Andry Rajoelina, omaly, tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina. Niantso firaisankina ny tenany. «Tsy maintsy mandresy rehefa miray hina… Efa betsaka ny lalaon’ny Nosy fa tamin’ity indray mandeha ity no natrehin’ny filoham-pirenena miisa telo, tarihin’ny filohan’i Kaomoro sady […]
Politika
Amin’izao JIOI izao : miantso fiatoana politika ny minisitry ny Fiarovam-pirenena
“Manao ny lalaon’ny Nosy isika amin’izao fotoana izao. Manainga ny rehetra mba hajanony aloha re ny disadisa rehetra izay azo ajanona”, hoy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rakotoarijaona Josoa, taorian’ny nandraisany ny ambasadaoron’i Torokia, teny Ampahibe, afakomaly. Fitaratra iray ngezabe ny lalaon’ny Nosy itarafan’ny olona an’i Madagasikara sy ny […]
Fifidianana filoham-pirenena : kandidà ny depiote Razafintsiandraofa Brunelle
Nanambara ny fahavononany ho kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny depiote voafidy tany Ikongo, Razafintsiandraofa Jean Brunelle, omaly, teny amin’ny trano fonenany, eny Ivato. “Mavesatra loatra ny fahantrana ary tsy hita soritra ny ho avin’ny firenena sy ny vahoaka ka nanapa-kevitra izahay”, hoy izy. Hanolotra azy amin’ izany fiatrehana ny fifidianana […]
Fanapahan’ny HCC : nitondra ny heviny ny minisitra Lalatiana R.
Teny fohy sady tsotra tamin’ny alalan’ny fanehoan-kevitra. “Fanajana ny foto-kevitry ny fisaraham-pahefana no antony nahatonga ny fanapahana noraisin’ny HCC momba ny fitoriana nataon’ny mpanao politika iray any ivelany ny amin’ny fizakana zom-pirenena ananan’ny Filoha”, hoy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrazafy Lalatiana. Nanteriny fa ny fahefana mpanatanteraka no […]
Kandidà Andrianainarivelo Hajo : “Tokony hanara-dalàna ireo prefet sy sefo distrika”
Nampitandrina ireo manampahefana eny ifotony ny kandidà Andrianainarivelo Hajo. “Tokony hanara-dalàna ny prefet sy ny sefo distrika eo am-panatanterahana ny asany fa tsy hanao tsindry sy ramatahora”, hoy izy tany Fandriana. Nitarika fivoriana narahina adihevitra niarahan’ny MMM sy ireo vahoaka ny tenany tamin’izany. Tsy nahasakana ny kandidà ho filoham-pirenena Andrianainarivelo […]




