Fampifandraisana sy fampifandrindrana ny fandrosoana teknolojika amin’ ny soatoavina fototra hiatrehana ny fahasahiranana sy ny ady amin’ny fahantrana ny anton’ny fisiana sy fiasan’ ny Asso-Fanantenana. Nampahafantarina teny, Antaninarenina, afakomaly. “Hanampy ny olona hioitra amin’ny fiainana hialana amin’ny fahasahiranana no tanjona”, hoy ny filoha mpanorina, Rakotonindriana Franck Gil Patrick. Misy ny […]
Politika
Fanahimanana Tiaray: “Ara-dalàna ny fanapahan’ny Ceni”
“Milaza ny And. 2 amin’ ny didim-panjakana tamin’ ny 2022-667 fa anjaran’ny Ceni sy ny rantsamangaikany ny mamariparitra ny fomba hanatanterahana ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana. Nisy fanapahan-kevitra maromaro noraisin’ny Ceni manao an’ izay hoe fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana izay.” Io ny fanazavan’ny mpahay lalàna, i Fanahimanana Tiaray, manoloana ny […]
Antoko MMM : “Fitsinjaram-pahefana ihany…”
Nitohy tany Ihosy, Ihorombe indray ny fihaonan’ny mpitarika ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo tamin’ny vahoaka, ny sabotsy teo. Nihaino ny olana sy ny hetahetan’ny tany an-toerana ny tenany. Nambarany tamin’ izany fa fotokevitry ny antoko sady vahaolana amin’izany ny fitsinjaram-pahefana. “Ahazoan’ny eny ifotony ny fahefana sy mitantana ny hoavy […]
Filohan’ny FFKM, Andriamahazosoa Irako : “Henatra raha tsy mahita vahaolana ho antsika isika”
Nentin’ny FFKM am-bavaka tetsy amin’ny FLM 67ha, omaly, ny faha-63 taona niverenan’ny Fahaleovantena sy ny fetin’ny Foloalindahy. Nohazavain’ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako tamin’izany ny dingana irosoana amin’ilay fihaonambem-paritra. “Mahamenatra raha tsy mahita vahaolana ho antsika isika. Natao hifampihainoana sy hiresahana ny fihaonambem-paritra tanterahan’ny fiangonana io”, hoy izy. Notsiahiviny fa natao hananganana […]
Fakan-kevitra : lasa any Frantsa ny Mihava Tour
Tsy eto an-toerana. Nanainga, omaly lasa any Frantsa ireo delegasion’ny Mihava Tour, maromaro, tarihin’ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny. Anisan’ny anton-dian’izy ireo ny hihaona amin’ny ireo zanaka am-pielezana Diaspora any Eoropa. “Hihaino ny hetahetan’ny vahoaka tsy an-kanavaka izahay. Anisan’izany ireo malagasy any ivelany. Mba manana ny fomba fijeriny ny raharaham-pirenena izy ireo. […]




