Hiasa tsy an-kiato, ary hatramin’ny fiandrasan-draharaha rehefa faran’ny herinandro ny HCC etsy Ambohidahy, amin’izao fandraisana ny antontan-taratasin’ny kandidà ho filoham-pirenena izao. Efa nanomboka, omaly, ny fisokafan’izany ary hitohy hatramin’ny 6 septambra ho avy izao. Nambaran’ny filohan’ity Andrimpanjakana ity, Rakotoarisoa Florent fa ho hentitra izy ireo amin’ny fanamarinana sy fijerena ny […]
Politika
Tsangan-kevitra sy tsangan’olona
Tsy nampoizina? Na nahabe resaka tetsy sy teroa aza ny amin’ny anto-bola 200 tapitrisa Ar firotsahan-kofidina ho filohan’ny Repoblika, mitombo an-dalana ireo kandidà. Tsy arakaraka ny hoe fanakantsakanana ny raharaha? Misy hatrany ny manam-bola, manohana, mahafoy… Ady fiady io, politika. Mby amin’ny hoe ny fahaiza-mandamina no entina miady. Tsy mbola […]
Tontolon’ny fifidianana: antoko politika 32 nanao sonia ilay sata
Noho ny sata niainga tamin’ny teny ierana sy mifototra amin’ny fihavanana no naneken’ireto vondrona politika sy mpilatsaka ho fidina ireto ny sata. Niray feo ihany koa izy ireo ny amin’ny tokony hanatanterahana sy hanajana izay nekena sy nosoniavina. Tontosa omaly, teny amin’ny Carlton Anosy, ny fampahafantarana ny Satam-pitondran-tenan’ny antoko politika […]
Fizakana zom-pirenena: nolavin’ny HCC ny fangatahan’i Fanirisoa Ernaivo
Nolavina ny fangatahana fitsarana ampahibemaso ny zom-pirenen’ny filohan’ny Repoblika, tsy manana fahefana hitsara ny filoha Rajoelina momba ny fahaverezan’ny zom-pirenena malagasy ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenena (HCC), tsy azo raisina ny fangatahana ny amin’ny tsy tokony hahakandidà ny filoha Rajoelina tamin’ny fifidianana, taona 2018. Ireo ny fanapahan’ny HCC Lah. […]
Transparency International – Iniative Madagascar : “Hanampy amin’ny fifidianana ny Hayfidy”
“Fitaovana hanampiana ny mpifidy hanao safidy voasaina sy voalanjalanja amin’ny fifidianana ho avy ny hayfidy. Hatramin’izay, mampiahiahy ny fomba fisafidianana an’ireo kandidà amin’ny fifidianana samihafa”. Io ny fanazavan’ny tale mpanatanteraka eo anivon’ny Transparency International – Iniative Madagascar (TI-IM), Rafitoson Ketakandrina, teny Ambaranjana, afakomaly, momba ny fitaovana Hayfidy. Fanabeazana olom-pirenena hametrahana […]




